Entry | fisoronana (sorona) | ||||
Part of speech | noun | ||||
Explanations in Malagasy | Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany: Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin' ny fisoronam-bady ao an-trano [1.1] | ||||
Entry | fisoronana (sorona) | ||||
Part of speech | noun | ||||
Explanations in Malagasy | Fikarakarana ny firehetan' ny afo amin' ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon' ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon' Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy izy, nefa ny aoriana asesika ihany [1.1] | ||||
Explanations in French | L'action d'attiser le feu, l'instrument [1.3] | ||||
Examples | Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tananasy rotsa-kazo.
[2.470] | ||||
Entry | fisoronana (sorona) | ||||
Part of speech | noun | ||||
Explanations in Malagasy | [Tambahoaka] [ fisoroñana ] Fivavahana, fanoloran-tsorona (toerana) [1.78] | ||||
Fanaovana sorona:Fisoronana zanak'ondry no natao tamin'ny fetin'ny Paka tamin'ny Testamenta taloha. [1.1] | |||||
Explanations in French | L'action d'offrir un sacrifice, l'autel, l'instrument, le lieu, le motif [1.3] | ||||
Examples |
| ||||
Articles | Randzavola: fisoronana ao amin' ny Baiboly | ||||
Entry | fisoroñana | ||||
Part of speech | noun | ||||
Explanations in Malagasy | [Tambahoaka] Tsangambaton-tsampy [1.78] | ||||
Entry | Fisoronana (sorona) | ||||
Part of speech | name (biblical) | ||||
Explanations in Malagasy | (fanafohezana Fisor) na hoe Levitika = Izany no iantsoana azy, satria izy no mirakitra ny Lalàna mifehy ny fomban-pivavahana sy ny andraikitry ny mpisorona ary ny Levita [2.611] | ||||
Synonyms | Levitika ~ Levitikosy | ||||
Articles | Randzavola: Fisoronana => Fanatitra sy Mpisorana | ||||
Full text | Parallel Bibles | ||||
Updated on 2022/07/30 |
![]() |