Entry fandaingana (lainga)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Tsy filazana ny marina mba hamitahana olona: Zava-dratsy ny fandaingana fa hoy ny Ntaolo: Aleo mifanena amin' ny mpamosavy toy izay mifanena amin' ny mpandainga
Fahadisoan' ny mizana izay mahatonga azy hilaza lanja ratsy: Tsy anerany izany fandaingan' ity mizananao [1.1]

Entry fandaingana (lainga)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Ilay lempona kely eo amin' ny takolaka ambanimbany izay hita miseho tsara rehefa mitsiky [1.1]
Explanations in English A dimple on the face, a dimple in the cheeks when laughing. [1.2]
Explanations in French Petit enfoncement sur la joue, fossette [1.3]
Examples 
1Mahafatifaty avokoa ny eny aminy, na ny fitopin' ny masony mibaliaka, na ny fiampokampoky ny volony matevina, na ny fihifitrifitry ny fandaingana eo amin' ny takolany, na ny filantolanton' ny tanany. [2.357]
2Na ny mpampianatra ahy, na ny mpiara-monina amiko, indrindra ireo niray ankohonana tamiko, dia tsy nisy nahatahiry hatezerana tamiko, raha vao mahita ny fandaingana teo amin' ny takolako sy ny fisahondrahondran' ny voloko misaritaka. [2.529]
Vocabulary 

Anagrams 

Updated on 2023/01/20