Entry ahodidina (hodidina)
Part of speech passive verb
Explanations in Malagasy Atao manodidina, manapitra ny sisin-javatra iray ivelany rehetra: Nisy hady nahodidina ny tanàna taloha mba tsy hahafahan' ny fahavalo miditra ~ Ahodidino ny valahanao itỳ lamba itỳ [1.1]
Examples 
1Ny iray ahodidina ny vatan-tavoahangy. [2.117]
2Amin' ny sikim-balaka dia ahodidina ny valahana ny lamba ka ampifanindriana, sady indray aforitra kely ny sisiny amin' izany no asisika tsara tsy hivaha. [2.436]
Morphology 
Present : ahodidina, ahodidiko, ahodidinao, ahodidiny, ahodidintsika, ahodidinay, ahodidinareo, ahodidin', ahodidin-, ahodidim-, ahodidi-
Past : nahodidina, nahodidiko, nahodidinao, nahodidiny, nahodidintsika, nahodidinay, nahodidinareo, nahodidin', nahodidin-, nahodidim-, nahodidi-
Future : hahodidina, hahodidiko, hahodidinao, hahodidiny, hahodidintsika, hahodidinay, hahodidinareo, hahodidin', hahodidin-, hahodidim-, hahodidi-
Imperative : ahodidino

Updated on 2023/01/19