|
|
|
|

Entry1  mivadika
Root  2  vadika
Part of speech  3  active verb
Explanations in Malagasy  4  [1.1] Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ve ireo lamba mihahy ireo
Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana
Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary
Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro
Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan' ny ratsy indrindra
Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha
Morphology 
5  Present :
6  Past :
7  Future :
8  Imperative :
Analogs  9  mitsoa-pahana, miova fenitra, mitsoaka ny teny natao, mitsoaka orimbato, mivadibadika toa lela may, manao tsimbadiboanampotsy, manao tsimbadik' amponga, miroa lela, miodina, malady ofana, mangala-belirano
Compound words 
Phytonyms 
Proverbs  36  Proverbs containing the word mivadika

Updated on 2024/12/11