Entry toetra
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Teny enti-milaza ny hevitra sy ny fihetsika ao amin' ny olona iray, izay anisan' ny mampiavaka azy amin' ny hafa: Mahafinaritra ny toetran' / Naivo fa tsotra sy tia namana izy
Fandeha: Ratsy ny toe-barotray ka angamba, hakatonay ny tsena atsy ho atsy ~ Tsara ny toetran' ny tafika
Laharana: Samy tokony hanao fitafiana araka ny toetrany avy
Fomba, ny maha-izy ny zavatra iray: Ny toetrantsika olombelona ~ Samy manana ny toetrany avy ny zavatra rehetra
Hatsarana na haratsiana: Ny toetran' ny tanimboly
Fipetraka, fitoetra: Manàna toetra maotina [1.1]
 Fitambaran'ny fihetsika sy fisainana ary ny fitondran-tena izay mampiavaka ny tsirairay; endrika isehoana siantifika [1.13]
Explanations in English State, quality, nature, condition [1.7]
Explanations in French Caractère [1.8, 1.13]
 état, nature, qualité [1.8]
 Tempérament, propriété [1.13]
Examples 
1Betsaka ny olona no manana toetra anankiroa: [2.472]
2ary tsy hisy izay hanao toetra tsy araky ny fombany. [2.59]
3Tsy nanova toetra izy, na dia toy ny nohanin-javatra aza ny fony. [2.499]
Morphology 
Simple : toetra, toetrako, toetranao, toetrany, toetry, toetrantsika, toetranay, toetray, toetranareo, toetrareo, toetran', toetr', toe-, toe
Derivatives 
Compound words 
Proverbs 

Entry toetra
Part of speech noun
Explanations in French  [Betsileo] (ce mot a de nombreuses acceptions. Dans ce cas précis, il fait allusion au port de la plante, bien étalée sur le sol). Plantago tanalensis Baker (Plantaginaceae). Nom relevé par Descheemaeker qui signale son emploi dans les maladies du jeune enfant, notamment en bouillon en cas d' alofisaka [1.196]
Scientific name Plantago tanalensis
Vocabulary 

Anagrams 

Updated on 2023/09/21