Entry senotsenoka
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Sahirana, mivezika atsy mivezika aroa, miheninkenina: Mbola senotsenoky ny fanetsana izahay amin' izao fotoana izao
Renoka fatratra amin-javatra iray: Senotsenoky ny fitiavam-bola izy
Dibo-kafaliana, entanin-kafaliana: Senotsenoky ny hafaliana ny fianakaviana noho ny nahatongavan-dRanaivo avy any andafy. [1.1]
Derivatives 
Synonyms senoka

Updated on 2020/07/31