Entry pataloha
Part of speech noun
Malagasy definition [ pataloa ] Akanjo ambany fitondran' ny lehilahy, mandrakotra ny tongotra roa tsirairay avy, hatreo amin' ny valahana, ary mivady amin' ny palitao [Rajemisa 1985]
English definition trousers [Richardson 1885, Hallanger 1973]
 See saroaly [Richardson 1885]
French definition pantalon [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
Vocabulary 
Derivations 
Morphology 
pataloha
patalohako
patalohanao
patalohany
patalohantsika
patalohanay
patalohanareo
patalohan'
patalohan-
pataloham-
Origin French: pantalon.
Other spellings 
Examples 
1Hay tsy pataloha iray iny anaovany iny, fa pataloha roa nataony mifanosona [Andraina: I Vola, page 57]
2Pataloha roa aman' olona sy satroka penjy iray avy koa, no nomeny azy mirahalahy sy azy mianadahy avy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 96]

2015/03/03