Entry milaza (laza)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Manambara hevitra na zava-miseho na baiko na hafatra amin' ny alalan-ny fitenenana; manambara, mitantara, mandidy, manafatra, miresaka, mampahafantatra, mampahalala, manome teny, manome baiko, amin-ny alalan-ny fitenenana. Indro izaho milaza teny soa mahafaly aminareo... [1.10]
 Mampahalala zavatra amin' ny alalan' ny teny na soratra: Hilaza zava-baovao mahatalanjona aminao aho
Maneho ny hevitry ny tena: Nilaza izy fa ho tonga
Mamoaka ampahibemaso: Nilaza ny lehiben' ny governemanta fa izay tratra mangalatra omby dia hofaizina mafy
Mitory, manambara: Efa mahay mandainga Ikotokely; milaza izany fa efa vory saina ny adalalahy
Mitantara: Latsa-dranomaso izy nilaza ny zava-nitranga tamin' ny 13 mey
Mitovy hevitra: mamaky volana ~ mamboraka ~ mamisavisa ~ mamosaka ~ manaboraka ~ manao tsy lian-tsofina ~ maneho ~ mitanisa ~ mitantara ~ mitory ~ miventy [1.1]
Explanations in English To tell, to say, to inform; to report, to tell off, to refer to [1.2]
Explanations in French Dire [1.3, 1.5]
 Publier, annoncer, déclarer, signifier, narrer [1.3]
Examples 
1Ary tandremo sao mandositra à, milaza aho izany [2.470]
2Milaza ianao fa tia ahy, hoy izy nony ela [2.471]
3Misy olona milaza fa ny asam-pambolena dia sahala amin' ny asa rehetra ihany [2.472]
Morphology 
Present : milaza
Past : nilaza
Future : hilaza
Imperative : milazà
Compound words 
Proverbs 

Entry mila (laza)
Part of speech imperative of active verb milaza [full list]
Proverbs 

Updated on 2024/02/25