Entry milamina (lamina)
Part of speech   active verb
Malagasy definition   Milahatra tsara: Mahafinaritra ny mijery izao boky milamina izao
¶ Mirindra, milanto, mandeha tsara: Hatramin' ny nahatongavan' io mpampiasa io, milamina tsara ny raharaha
¶ Voamboatra, voavitrana, voarindra: Efa milamina ny fihavananay
¶ Tsy mikorontana, voakarakara ka amin' ny toerana tokony hisy azy avy ny zavatra: Milamina tsara ianareo izany ~ Izany ka tokantrano milamina
¶ Tsy misy zavatra manembantsembana, misosa tsara: Nilamina tsara ny dianay
¶ mandeha tsara, mizotra milamina, tsy misy vato manoha riana, tsy misy volo manoha randrana [Rajemisa 1985]
English definition   to be arranged, to be in order [Richardson 1885]
French definition   être arrangé, disposé en ordre, s’arranger; aller, agir à son aise: Milamina tsara ny raharahantsika izao (Notre affaire est maintenant bien arrangée, marche bien) ~ Efa milamina tsara ny fihavananay izao (Nos relations se sont bien arrangées, sont redevenues bien bonnes) ~ Nilamina tsara ny dianay (Nous avons marché bien à notre aise) [Abinal 1888]
Examples  
1Amin’ny fotoana milamina, ilaina ny fifanakalozan-kevitra. [ ]
2Daka milamina, tsy rototra, tsy misy fanontaniana intsony koa. [Andraina: Mitaraina, page 220]
Derivations  
Morphology  
milamina
nilamina
hilamina
milana
Synonyms   mimpirina ~ milanto ~ mirindra ~ miravona ~ misononoka ~ misosa

Entry milamìna (lamina)
Part of speech   imperative of active verb milamina [list]
Malagasy definition   [Rajemisa 1985]
French definition   [Abinal 1888]

Updated on 2015/03/22