Entry mihohoka (hohoka)
Part of speech active verb
Malagasy definition Miongana na mianjera ka ny vavany no lasa ambany: Loza fa nihohoka ny vilany ka very daholo ny laoka
¶ Mandry tsy mitsilany na mihorirana fa ny kibo no atao ambany mandry: Aza mihohoka rehefa mandry
¶ Mandohalika na miondrika ambany dia ambany: Mihohoka eto anatrehanao izahay, ry Tompo Andriamanitra
Mitovy hevitra: miankohoka
¶ Milentika ao anatin' ny fahoriana: Mihohoka marina ireto kamboty ireto
¶ Miasa tsy miroa fo: Nihohoka tamin' ny asany izy rehetra ka vita haingana ilay raharaha nasaiko nataony [Rajemisa 1985]
English translation to lie or be placed with the face or opening down [Hallanger 1973]
French translation être placé avec l'ouverture en bas, la bouche en dessous [Hallanger 1974]
Morphology 
mihohoka
nihohoka
hihohoka
mihohofa
Quotes 

Updated on 2020/07/31