Entry mihevitra (hevitra)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Mamorona na manan-javatra ao an-tsaina, ao an-doha; misaintsaina: Tsy tsara ny mihevi-dratsy olona
Mieritreritra: Latsadranomaso izy nihevitra ny fahorian-janany
Mandinika lalina, miady hevitra momba: Mihevi-draharaha ny lehibe ka tsy azo kotabaina
Mikasa, manampo, mikendry: Mihevitra ny hiainga rahampitso aho
Mandray, mitsara: Ahoana no iheveranao an' izany fihetsiky ny zakaizanao izany
Mino, mieritreritra: Iza no hihevitra fa hahavita izany Rangahy iny [1.1]
Explanations in English To think, to consider; to talk over [1.7]
Explanations in French Penser, penser à; méditer, délibérer sur [1.8]
Examples 
1tsy very saina aho fa mihevitra nahoana hianao no toa mitomany? [2.131]
2Hano aloha ny hanina, fa rehefa avy eo indray, mihevitra. [2.470]
3Hita ho nihevi-tena ho lehilahy lehibe sahady izy tamin' izany. [2.472]
Morphology 
Present : mihevitra, mihevi-
Past : nihevitra, nihevi-
Future : hihevitra, hihevi-
Imperative : mihevera
Proverbs 

Updated on 2023/01/20