Entry mifanohitra (tohitra)
Part of speech active verb
Malagasy definition Mifanalavitra be toy ny atsimo sy avaratra, mifanipaka, mifandaka: Mifanohitra ny mamy sy ny mangidy
¶ Tsy mitovy hevitra, miady: Mifanohitra ny Tandrefana sy ny Tatsinanana
¶ Tsy mifanaraka, tsy mifandrindra: Mifanohitra ny teny lazain' ny vavany sy ny asa ataony
¶ Tsy mifanaraka amin' ny..,: Mifanohitra amin' ny fitsipiky ny Fikambanana ny nataonao ka horoahina ianao [Rajemisa 1985]
French definition opposé, contraire [SLP 1986]
Morphology 
mifanohitra
nifanohitra
hifanohitra
mifanohera
Examples 
1Raha nanontaniana aza angamba aho dia ho any amin' ny mifanohitra aminy no ho notondroiko. [Andriamalala: Ranomasina, page 45]
2Misy hevitra mifanohitra manorisory ahy fatratra iny arira iny, hoy indray Zaka somary nalahelo. [Andriamalala: Zazavavindrano]

Updated on 2012/08/01