Entry manamka (amka)
Part of speech active verb
Malagasy definition Mamitaka amin' ny varotra (na amin' ny fakana tombony be loatra, na amin' ny fiangarana amin' ny lanja na amin' ny fivarotana zavatra tsaraivelany fotsiny fa ratsy na tsisy vidiny): Tokony hosazin' ny fanjakana mafy ny mpivarotra manambaka
¶ Manararaotra ny tsy fahalalan' ny olona iray ka mamitaka azy: Lozan' izay manambaka zaza fa tsy ho tantiny ny todin' izany
¶ Miangatra na manao izay handresen' ny tena na haharesen' ilay mpifaninana amin' ny tena amin' ny fomba tsy an-drariny, an-kafetsena: Tokony hofadina ny manambaka amin' ny lalào, fa sady tsy rariny no mahamenatra [Rajemisa 1985]
English definition to deceive, to defraud, to impose upon, to overreach, to take an unfair advantage of, to circumvent. [Richardson 1885]
 to defraud, to deceive [Hallanger 1973]
French definition tromper, tricher: Aza manambaka toy izany raha mivarotra ianao (Ne trompez pas de la sorte en vendant) [Abinal 1888]
 tromper [Hallanger 1974]
Morphology 
manamka
nanamka
hanamka
manamba
Quotes 

Entry manàmbaka
Part of speech active verb
Malagasy definition  [Bara] manavaka [Rakotosaona 1972]

Entry manambaka
Part of speech active verb
Malagasy definition  [Sihanaka] fomba fitolon'omby [Rakotosaona 1972]

Entry manamba (amka)
Part of speech imperative of active verb manamka [full list]

2012/02/02