Entry mamafy (fafy)
Part of speech active verb
Malagasy definition  [Taisaka] manao fafy [Rakotosaona 1975]
 Manapariaka voa mba hilevina ao anaty tany ka hitsimohany: Izay namafy voa tsara dia hioty voa tsara
¶ Manely hatraiza hatraiza: Randria no mamafy izany hevi-diso izany
¶ Mandanilany foana, mandany an-tetiny: Mamafy vola amin' ny zavatra tsinontsinona io lehilahy io [Rajemisa 1985]
 manaparitaka na mametraka ny ambioka ao anaty tany [SLP 1986]
English translation to sow, to scatter, to disperse, to disseminate. [Richardson 1885]
French translation semer [SLP 1986]
Vocabulary 
Morphology 
mamafy
namafy
hamafy
mamafaza
Synonyms manely ~ mampiely ~ manapariaka ~ manaparitaka ~ manahaka ~ mampihahaka

Updated on 2020/07/31