Entry koa
Part of speech   conjunction [list]
Malagasy definition   [Taisaka] indray, sy [Rakotosaona 1972]
   [Tanala] toa, toy: Iendan-draha misy koa olobe ahi-bare (gagan'ny fisiana toy ny olona be ava-vary) [Rakotosaona 1972]
   Teny miandoha fehezanteny ka ny heviny dia hoe "ary raha efa izany": Koa hoy Andriamanitra tamin' i Adama sy Eva
¶ Teny eo aorian' ny teny iray hafa ka midika hoe: "fanampin' izany, mitovy amin' izany": Handeha koa aho raha mandeha ianao
¶ Noho izany": Osa sy malemy izahay ry Tompo, koa ampio ny fahasoavanao
¶ Teny fanao mialoha ny famaranankevitra rehefa voalaza ny antonanton' ny renin-kevitra sy ny zana-kevitra: Koa tsy ho very ve raha tahaka izany ny fombao-drazantsika? / Mety diso rehefa mety ho olombelona, ary ianao dia olombelona, koa amin' izany, mety diso ianao [Rajemisa 1985]
English definition   also, and so [Hallanger 1973]
French definition   et, aussi, de plus [Hallanger 1974]

Entry koa
Part of speech   adverb [list]
Malagasy definition   [Bara] kosa [Rakotosaona 1972]

Entry koa
Part of speech   noun
Malagasy definition   Fianjerana mikororosy, fidabohana rehefa avy miendaka. [Rajemisa 1985]
Derivations  

Updated on 2009/02/23