Entry fitsiriritana (tsiriritra)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Araka ny voalazan' ny Baiboly dia heloka ny fieremana sy ny fitsiriritana. Ao amin' ny Didy Folo dia atao mitovy saranga amin' ny vonoana olona sy ny fijangajangana ary ny halatra izany ( Eks. 20. 13-17). Akana dia meloka tamin' izany, ka notoraham-bato ho faty ( Jos. 7. 16-26). Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia atao iray laharana ny fijangajangana sy ny fieremana ( 1 Kor. 5. 11; 6. 9, 10; Kol 3. 5; Efes. 5. 3). Avy amin' ny fampianaran' i Jesosy Kristy ny fampiraisana ny filaharan' ny fieremana amin' ny filan' ny nofo ( Mar. 7. 21, 22). Araka ny fampianarana nataon' i Jesosy tamin' ny Apostoly dia mitovy ihany ny fanaram-po amin' ny filan' ny nofo sy ny fanampoana an' i Mamôna. Ny Fiangonana Kristiana dia tokony handinika tsara ny fampianaran' ny Baiboly ny amin' ny fieremana, araka izay hita ao amin' ny Jer. 22. 17 ; Mik. 2. 2 ; Lio. 12. 15 ; Rom. 7. 7 ; Efes. 5. 3). 1 Tim 6. 10 ; Heb. 13. 5, ets. Ny mpierina dia tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra. [1.38]
 Faniriana fatratra hanana na hihinana: Voararan' ny didin' Andriamanitra ny fitsiriritana ny fananan' olona [1.1]
Explanations in English Covetousness [1.7]
Explanations in French Convoitise [1.8]
Examples 
1Fitsiriritana tsy mendrika anao izany! [2.270]
2tsy hamono olona noho ny fitsiriritana azy, na ny fananany na ny vadiny aman-janany na izay rehetra mety ho an' ilay olona; [2.508]
Synonyms fieremana
Proverbs 

Updated on 2023/01/20