Entry | 1 Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy |
Elementary words | 2 firaketana, fiteny, zavatra, malagasy |
Part of speech | 3 name (book title) [Full list] |
Explanations in Malagasy |
4 [1.10#K.404] Fitadidy momba ny "Firaketana" 1937-1963. Tamin' ny volana Zanvie 1937 no niseho ny antakelaka voalohany amin' ny boky "Firaketana". Ireo mpiadidy ny gazetim-boky "Fiainana" -- izay mbola mitohy miseho hatramin' izao ary nivoaka voalohany kosa tamin' ny taona 1928 -- ireo no nifarimbona, nampian' ny namana maro eran' ny Nosy ary araka ny hevitrasy toro-lalana nitarihan' Itompokolahy Ravelojaona azy; antakelaka niseho isam-bolana no niandohan' ny Firaketana ary dia mbola izany no endrika tanany hatramin' izao. Ireto no anaran' ireo mpiadidy ny fanoratana tary am-piandohana tary (ny efa nodimandry dia tsarovana amim-panajana sy fankasitrahana) : H. Rabeony, J. Ratsima, H. Randzavola, Ravelojaona, J. Ramambasoa, F. Ratrema, G. Andriamanantena, F. Rajaobelina, Joseph Rakotovao (mpitandrina), Rabevazaha, F. Gabriel Rajonah, Rahajason (mpampianatra). Ny tena tonian' ny fanoratana hatrany am-boalohany dia Itompokolahy Ravelojaona (1937-1956) sy Andriamatoa F. Gabriel Rajonah (1937 ka mbola mitohy hatramin' izao). Ny ray aman-dreny teo anatrehan' ny fanjakana: Ny Mpiandraikitra. -- Ny fikarakarana ny famoahana ny boky amin' ny lafiny samy hafa (amin' ny ara-bola sy amin' ny fampielezana azy, ets.) dia It. Ravelojaona koa no nitana izany toerana izany hatrany am-piandohana ka hatramin' ny fodiany mandry (1937-1956). Nanomboka hatramin' ny 1956 dia ny zazany Atoa Rambelosoa, ampian' izy mivady dia Atoa Samuel Andrianjafintrimo sy Rtoa Razafindravao, no nandimby an-drainy. |
Explanations in French |
5 [1.11] vaste dictionnaire encyclopédique des mots et des choses malgaches, qui commence à paraître sous sa [Ravelojaona] direction en 1937 |
Vocabulary |
6 Literature: books |
Author |
7 Rajonah Gabriel 8 Randzavola Henri 9 Ravelojaona |
Publishings |
10 Imprimerie Industrielle, 1937. Height: 23cm. Width: 15cm. Pages: 4256 |
Updated on 2024/12/09 |
![]() |