Entry ankifidy (fidy)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Kilalaon' ny Ntaolo ara-tsaina nitsapana ny fahaiza-maminany sy mitsara zavatra amin' ny alalan' ny fampifidianana amin-javatra anankiroa izay lazaina somary an-kifonofono ka raha tsy mahay dia mahazo ny ratsy: Alao izay ho anao: be maso anaty vero sa kely maso anaty vato? (omby sa kary ?) [1.1]
 Ny ankifidy kosa indray dia miendrika ankamantatra ihany saingy misy safidy asaina ataon'ny mpamaly ny fanontaniana. Tsy mba miandoha amin'ny fanontaniana hoe : "Inona àry izany ?" ity kilalaon-tsaina ity fa avy hatrany dia manontany ny safidin'ny mpihaino. Avy amin'ny fototeny hoe fidy nahazoana ny hoe safidy manko ny teny hoe ankifidy. Avy amin'ny fahaizan'ny ankizy sy ny tanora mamaly ireny matetika no ahitany taratra sahady ny mety ho toetoetrany sy fomba fisainany. Ao amin'ny ankifidy, araka izany, dia sady mamantatra ny hevitra mifono ao anatin'ilay fanontaniana no misafidy ihany koa izay tiana ho an'ny tena amin'ireo. Koa amin'ny maha ankifidy azy dia miandoha amin'ny hoe : "alao izay ho anao" izy. ... [5.mg.http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302]
Explanations in French [ an-kifidy ] Littéralement au choix; sorte d'énigme, ou devinette avec choix entre deux objets [1.3]
Examples Samy vonto izy mianaka indraindray ka ovaina ho ankamantatra na ankifidy indray aloha ny tantara. [2.895]
Vocabulary 
Analogs  ampanonona ~ ankamantatra
Web Haisosatra.org: Ankifidy (http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302)

Entry ankifidy
Part of speech adjective
Explanations in Malagasy Atao raha tiana [1.13]
Explanations in French Facultatif [1.13]

Updated on 2023/01/06