Entry ampanarahina (araka)
Part of speech passive verb
Explanations in Malagasy Enti-milaza ny ombivavy ampiraisina amin' ny ombilahy mba hahazoana taranaka [1.1]
Examples 
1Ampanarahina ny didy hitsivolana izany lisitra izany, ary nisy hatrany fanovanana ny lisitra izay natao. [4.27]
2Ka misy fitsofan-drano ampanarahina azy ireo manao hoe: "Enina ianareo, ho eni-noro sy henina velomana ny Razantsika. [2.436]
3Ary vola nampananaina talohan' ity Didy ity, dia ampanarahina izao koa ny zanany, ka raha misy maka mihoatra ka manao hoe : Talo-han' ny Kabarin' Andriana ny anay, na izao no efa nifanekenay voasoratra amy ny sakaizambohitra, fa tsy atao araka izao efa voadidiko izao ny zana-bola alaina, dia very ny volany. [1.123]
Vocabulary 
Morphology 
Present : ampanarahina, ampanarahiko, ampanarahinao, ampanarahiny, ampanarahintsika, ampanarahinay, ampanarahinareo, ampanarahin', ampanarahin-, ampanarahim-, ampanarahi-
Past : nampanarahina, nampanarahiko, nampanarahinao, nampanarahiny, nampanarahintsika, nampanarahinay, nampanarahinareo, nampanarahin', nampanarahin-, nampanarahim-, nampanarahi-
Future : hampanarahina, hampanarahiko, hampanarahinao, hampanarahiny, hampanarahintsika, hampanarahinay, hampanarahinareo, hampanarahin', hampanarahin-, hampanarahim-, hampanarahi-

Updated on 2023/03/13