Entry akaiky
Part of speech adverb [list]
Malagasy definition Tsy lavitra: Aza matahotra ianao fa akaiky ihany ny tranonay
¶ Antomotra na akaiky ara-potoana: Efa akaiky itỳ ny fanadinana, rankizy, ka mikezaha mafimafy kokoa indray
¶ Anila, ankila: Mipetraha eto akaikiko ianao
¶ Mifanila, mifanolotra, mifanolobodirindrina: Akaikin' ny tranonay ny fonenany
¶ Tsy lavitra ara-pihavanana: Akaiky anay kokoa Rakoto noho ianao, satria zanak' olo-mpirahalahy izahay, fa isika kosa mbola zafin' ny mpianadahy [Rajemisa 1985]
English definition near, near together, near by, close at hand. [Richardson 1885]
 near [Hallanger 1973]
French definition près [Hallanger 1974]
Examples 
1Misy lahindrano mandalo eo akaiky. [Andraina: Mitaraina, page 199]
2Avia aloha, Rainy, eto akaikiko eto e! [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 25]
3Eo akaikin' i Hesbona no misy izany toerana izany. [Randzavola: Baiboly, page 877]
Derivations 
Morphology 
akaiky
akaikiko
akaikinao
akaikiny
akaikintsika
akaikinay
akaikinareo
akaikin'
akaikin-
akaikim-
Other spellings 
 
Compound words, titles, names 

2014/06/13