| Entry |
mifandimby
(dimby)
|
| Part of speech | active verb
|
| | Misesy mifanarakaraka: Efatra ny filoham-pirenena nifandimby teto hatramin' izay Mifampisolo: Nifandimby izy mirahalahy nitondra ilay entana ~ Nifandimby teny ny andro sy ny alinaa Enti-milaza olona roa na maro mampiasa zavatra tokana mifamadibadika ka mbetika ny iray, mbetika kosa ny iray hafa: Taloha nifandimby sotro ny mpivady vao teo amin' ny sakafom-pampakarana [1.1]
|
| | Mifampisolo toerana [1.13]
|
| | Se succéder, se remplacer [1.13]
|
| Examples |
| 1 | Ny andro sy ny alina mifandimby hitondra fanadinoana ho anao
[2.471]
|
| 2 | Nifandimby nandahatra koa ireo vahiny telo sisa.
[2.472]
|
|
| Morphology |
| Present : |
mifandimby |
| Past : |
nifandimby |
| Future : |
hifandimby |
| Imperative : |
mifandimbiasa |
|
|