|
|
|
|

Entry mifanaraka (araka)
Part of speech active verb
 Tsara miaraka: Mifanaraka tsara ny akanjo sy ny lambanao
Manapakevitra miaraka: Nifanaraka Rabe sy Rakoto fa hanokatra varotra
Arakaraka ny, tahaka ny, mitovy amin' ny...: Tsy mifanaraka amin' ny teniny ny ataony [1.1]
 To agree [1.7]
 être d'accord, s'entendre [1.8]
Examples 
1Itambarana indray kosa io ka ny lehibe sy ny zokiny indrindra mifanaraka hatrany, no manatsoboka ny sotrony ao an-dovia. [2.470]
2Razanatsoa indray nampiantrano mpikarama vahiny nifanaraka taminy fa hamboly ny voanjony. [2.472]
3Izay mahatsara azy, izay mifanaraka amy ny vintana: [2.48]
Morphology 
Present : mifanaraka
Past : nifanaraka
Future : hifanaraka
Imperative : mifanaraha

Updated on 2023/01/20