|
|
|
|

Entry manondro (tondro)
Part of speech active verb
 Manambara zavatra na olona, ny misy azy, amin' ny rantsantanana na amin' ny zavatra hafa: Nofadin' ny Ntaolo ny manondro fasana
Manoro, milaza: Ny rahalahinao ihany no nanondro anao ho nanao izany
Manamarika: Manondro amin' ny valo latsaka fahatelony ny sahazabem-pamantaranandro [1.1]
 To point at, to point out [1.7]
 Indiquer avec le doigt; indiquer [1.8]
  [Sakalava-Mayotte] Pointer du doigt [1.405]
Examples 
1Tsy manondro olona ho mpangalatra tsy akory aho fa mba manontany fotsiny. [2.472]
2Tsy misy porofo na adi-hevitra izany, fa loko io ka samy manondro izay azoazony. [2.5]
3manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe: [2.996]
Morphology 
Present : manondro
Past : nanondro
Future : hanondro
Imperative : manondroa

Entry manondro
Part of speech noun
  [Betsimisaraka, Sakalava] (de tondro : le doigt tendu, l'index, nom donné aux points de repère que prennent les piroguiers sur la côte, cet arbre, de grande taille, est souvent l'un de ces points de repère). Barringtonia racemosa (L.) Spreng. (Lecythidaceae). Les fruits et écorces écrasés dans de l'eau servent de poison de pêche. Ils sont riches en saponines triterpéniques (barringtogénines).
[Sakalava] (arbre souvent planté autour des villages et qui sert aussi de point de repère). Ficus trichopoda Baker (Moraceae). Fruits comestibles, écorces à fibres. Le latex passe pour avoir des propriétés vulnéraires. [1.196]
Vocabulary 
Scientific name Barringtonia racemosa, Ficus trichopoda

Updated on 2023/07/31