|
|
|
|

Entry manokana (tokana)
Part of speech adjective
 Irery, tsy miaraka amin' ny hafa: Nalainy manokana izy. [1.1]
 Tsy iraisana amin'ny hafa [1.13]
 Propre; particulier [1.13]
Examples 
1Misy menaka fanosotra manokana ihany koa. [2.424]
2Fahanana sakafo voamboatra manokana izy hitombo haingana. [2.117]
3Fa nony efa lehibebe aho dia nanana filanjana ahy manokana. [2.643]

Entry manokana (tokana)
Part of speech active verb
 Manavaka olona na zavatra iray mba tsy hifangaro amin' ny hafa: Manokana marary amin' ny trano hafa ny dokotera
Mitahiry: Manokana vola isam-bolana hanaovana fiantrana izy [1.1]
Morphology 
Present : manokana
Past : nanokana
Future : hanokana
Imperative : manokàna

Entry manokàna (tokana)
Part of speech imperative of active verb manokana [Full list]
  [1.1]

Updated on 2024/07/26