| Entry |
manangasanga
(sangasanga (sanga))
|
| Part of speech | active verb
|
| | Miseho kely, mihoatrany zavatra hafa izay fohy noho izy, ka tazana na dia lavitra ara: Iny nisy lohan' olona nanangasanga terý ambony tamboho Miseho lany ka ny tendrony na ny "sangany" fotsiny no hita fa ny vatany tsy tazana: An' iza irý trano manangasanga irý [1.1]
|
| | To loom up, to appear at a distance [1.7]
|
| | Apparaître en partie dans le lointain, comme une tête par-dessus une muraille, comme le sommet d'une montagne éloignée: Aza manangasanga foana eo am-baravarana (Ne montrez pas seulement votre tête à la porte) ~ An' iza io trano manangasanga io? (A qui appartient cette maison dont on aperçoit le sommet?) [1.3]
|
| | Se montrer vaguement au loin [1.8]
|
| Examples |
| 1 | afa-tsy ny lohan'Ibity manangasanga ao andrefana sy Ivoto-vorona
[2.324]
|
| 2 | Rehefa jerena eo amin' ny sary, indreny manangasanga, indro manjavozavo;
[2.285]
|
| 3 | Vodilanitra mazava no tsinjony manangasanga terý amin' ny marainan1 ny fiainany.
[2.499]
|
| 4 | Nampiady hevitra ireny, nitady izay fomba fihetsika hampiasaina eo anoloan' ny korontana manangasanga eo amin' ny faritany.
[2.472]
|
|
| Morphology |
| Present : |
manangasanga |
| Past : |
nanangasanga |
| Future : |
hanangasanga |
| Imperative : |
manangasangà |
|
|
| Entry |
manangasangà
(sangasanga (sanga))
|
| Part of speech | imperative of active verb manangasanga
|
|