|
|
|
|

Entry loto
Part of speech noun
 Fako, fakofakon-trano, fikotra: Ario any ireo loto ireo fa mahabe lalitra
Pentina, tasy: Rakotry ny loto itỳ lobakao
Tsy fahadiovana, fisotisoty, fisotitika: Oadray ny loton' Ikoto! [1.1]
 Dirt, filthiness [1.7]
 Saleté, souillure [1.8]
Examples 
1madio tsisy loto, tsisy fangarony. [2.314]
2Mametraka loto eny an-tsisiny eny ny mpanary fako. [2.445]
3Indro ilay Peratra Volamena vaovao efa misolotiky ny loto! [1.214]
Derivatives 

Entry lôtô
Part of speech noun
 Karazan-kilalao an-tsapaka: izarana baoritra misy tarehimarika hatramin' ny 1 ka hatramin' ny 90 anaty efitrefitra ny mpilalao, ka izay mahafeno voalohany ny efitrefitra amin' ny baoritra eny an-tanany amin' ny vato misy tarehimarika hatramin' ny 90 koa izay sarihana an-tsapaka, no maharesy [1.1]
Vocabulary 
Origin Explanations in French: loto.

Updated on 2023/10/19