| Entry |
lalana
|
| Part of speech | noun
|
| | Soritra namboarina hatao fandehanana mampitohy toerana na tanàna roa: Tsara ny lalana mankany Mojanga / Manaraha mandrakariva ny lalan' ny fahamarinana Zavatra tsy maintsy atao mba hahatongavana amin' izay kendrena: Ny fikezahana no lalana mitondra amin' ny fahombiazana Fahazoana manao zavatra iray, fahazoam-pahefana hanao zavatra iray: Iza no nanome lalana anao hiditra ato amin' ny sahako? (diso ny mampiasa ny teny hoe "alalana" amin' ny fehezan-teny toy io): Mangata-dalana handeha izahay, tompoko. Teny misy hevitra ifandraisany: Lalan-kely, lalan-tsarety, lalam-be, arabe, lalam-boahangy, kizo, soritra, diantsarety, sakeli-dalana, kihondalana, fihaonan-dalana, sampan-dalana, hodimirana, finlahana, fivilian-dalana, lalamasaka, kizo tokana, lalantampina [1.1]
|
| | A road, a way, a path [Mal. jalan; Jav. Dalan] see alalana, andalana, for many derivatives [1.2]
|
| | A road [1.7]
|
| | Route, chemin [1.8]
|
| | Voie, rue [1.13]
|
| | [Sakalava-Mayotte]
[ lalaña ] Chemin [1.405]
|
| Examples |
| 1 | lalany ihany ny lohasaha firaofany.
[2.470]
|
| 2 | Sarotra amin'izy efa-mianaka mihitsy ny manaraka ny lalana, fa efa feno ny mpandositra, ka dia ny manavatsava manao hitsin-dalana no nataony.
[2.324]
|
| 3 | Nihantsy ady taminy aho, hanova azy ho lalan' ny Fahafahana, saingy toa ho resiny.
[2.471]
|
|
| Morphology |
| Simple : |
lalana,
lalako,
lalanao,
lalany,
lalantsika,
lalanay,
lalanareo,
lalan',
lalan-,
lalam-,
lala- |
| Prefixed : |
-dalana,
-dalako,
-dalanao,
-dalany,
-dalantsika,
-dalanay,
-dalanareo,
-dalan',
-dalan-,
-dalam-,
-dala- |
|
| Derivatives |
| Article |
|
| Entry |
lalàna
|
| Part of speech | noun
|
| | Fitsipika na amboaram-pitsipika tsy maintsy arahin' ny olon-drehetra, avoakan' ny mpitondra fanjakanà, na voaraikitry ny fomba amam-panao hatra ny fahagolan-tany, na ataon' ny solombavambahoaka: Fantatrao ve ny lalàna momba ny fifidianana? / Makà hevitra amin' ny olona mpahay lalàna ianao Fepetra arahina amin' ny sokajin-javatra na fahaizana manokana: Araka ny lalànan' ny fitsipipitenenana malagasy dia tsy asiana / amin' ny fanakambanon-teny, raha ka na tra no iafaran' ny teny voalohany: Kara-pifidianana [1.1]
|
| | [French la loi] a law [1.7]
|
| | [français la loi] loi [1.8]
|
| Morphology |
| Simple : |
lalana,
lalanako,
lalananao,
lalanany,
lalanantsika,
lalananay,
lalananareo,
lalanan',
lalanan-,
lalanam- |
| Prefixed : |
-dalana,
-dalanako,
-dalananao,
-dalanany,
-dalanantsika,
-dalananay,
-dalananareo,
-dalanan',
-dalanan-,
-dalanam- |
|
| Article |
|
| Entry |
Lalana
|
| Part of speech | name (book title)
|
| Author | Rakotoson Michèle |
| Vocabulary |
| Tables and plates | All the titles
|
|