Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
[amin'io a] ndro io fa andro iray toa zato amin'izany. Dia miainga ny Raevola arahin’ireto mpianany, ho any amin'izay tany mangina dia mangina mba handefa azy. Ary entina ny akoholahy mahatonga eno (maneno) ka andrahoina amin'ny vilany iray izy sy ny vary ary asiana biby maro karazana mban’ny tampatampak’ody io hanina io. Dia manantona eo avokoa izy rehetra manodidina ny fatana ka miaraka mihinana ity hanimay ity. Tsy misy mahazo mampiseho toetra mataho-may eo am-pihinana ity hanina ity fa miseho ho lehilahy daholo. Zavatra telo no anovozana ny hanina : famaky, fandraka ary saoka (sotrobe no ataon’ny Bara hoe saoka). Mandray ny famaky ny Raevola sady manovo ny hanina ka miteny hoe : « Izay vakiko, vaky ; izay tapahiko, tapaka. » Dia avelany iny ka raisin’ireo mpianatra ary samy manao toy izany avokoa izy rehetra. Mandray fandraka I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |