|
|
1st Samuel |
1 Samoela |
Samoela I |
1er Livre de Samuel |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 14.50 |
And the name of Saul' s wife was Ahinoam, the daughter of Ahimaaz: and the name of the captain of his host was Abner, the son of Ner, Saul' s uncle. |
Ary ny anaran' ny vadin' i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin' i Ahimaza: ary ny anaran' ny komandin' ny miaramilany dia Abnera, zanak' i Nera, rahalahin-drain' i Saoly. |
Ny anaran' ny vadin' i Saola kosa dia Akinoama, zanakavavin' i Akimaasy. Ny anaran' ny lehiben' ny foloalindahy dia Abnera zanak' i Nera, rahalahin-drain' i Saola. |
La femme de Saül se nommait Ahinoam, fille d' Ahimaaç. Le chef de son armée se nommait Abner, fils de Ner, l' oncle de Saül : |
1Sm / 1Sam 14.51 |
And Kish was the father of Saul; and Ner the father of Abner was the son of Abiel. |
Ary Kisy no rain' i Saoly; ary Nera, rain' i Abnera, dia zanak' i Abiela. |
Kisy rain' i Saola, sy Nera rain' i Abnera dia samy zanak' i Abiela. |
Qish, le père de Saül, et Ner, le père d' Abner, étaient les fils d' Abiel. |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 17.55 |
And when Saul saw David go forth against the Philistine, he said unto Abner, the captain of the host, Abner, whose son is this youth? And Abner said, As thy soul liveth, O king, I cannot tell. |
Ary nony nahita an' i Davida nandeha hiady tamin' ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin' i Abnera, komandin' ny miaramila: Ry Abnera, zanak' iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively. |
Nony efa nahita an' i Davida nandroso hiady amin' ilay Filistina Saola dia nanontany an' i Abnera, lehiben' ny foloalindahy hoe: Zanak' iza moa iny zazalahy iny, ry Abnera: Ary hoy Abnera: Marina toy ny maha-velona ny fanahinao, raha mba fantatro velively, ry mpanjaka. |
En voyant David partir à la rencontre du Philistin, Saül avait demandé à Abner, le chef de l' armée : " De qui ce jeune homme est-il le fils, Abner ? " Et Abner répondit : " Aussi vrai que tu es vivant, ô roi, je n' en sais rien. " |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 17.57 |
And as David returned from the slaughter of the Philistine, Abner took him, and brought him before Saul with the head of the Philistine in his hand. |
Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain' i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan' i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan' ilay Filistina. |
Nony niverina avy namono an' ilay Filistina Davida, dia nalain' i Abnera ka nentiny nankeo anatrehan' i Saola; ny lohan' ilay Filistina dia teny an-tànany. |
Lorsque David revint d' avoir tué le Philistin, Abner le prit et le conduisit devant Saül, tenant dans sa main la tête du Philistin. |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 20.25 |
And the king sat upon his seat, as at other times, even upon a seat by the wall: and Jonathan arose, and Abner sat by Saul' s side, and David' s place was empty. |
teo amin' ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin' ny fipetrahana teo anilan' ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan' i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan' i Davida. |
Ka araka ny fanao dia nipetraka teo amin' ny sezany ny mpanjaka, dia ilay seza manolotra ny rindrina, Jonatasy nitsangana, ary Abnera nipetraka teo anilan' i Saola, ary ny fipetrahan' i Davida dia foana. |
Le roi s' assit à sa place habituelle, la place contre le mur, Jonathan se mit en face, Abner s' assit à côté de Saül et la place de David resta inoccupée. |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 26.5 |
And David arose, and came to the place where Saul had pitched: and David beheld the place where Saul lay, and Abner the son of Ner, the captain of his host: and Saul lay in the trench, and the people pitched round about him. |
Dia niainga Davida ka tonga teo amin' ny nitobian' i Saoly; ary hitan' i Davida izay nandrian' i Saoly sy Abnera, zanak' i Nera, komandin' ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin' ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka. |
Dia niainga Davida ka tonga teo amin' ny toerana nitobian' i Saola. Hitan' i Davida ny toerana nandrian' i Saola sy Abnera zanak' i Nera lehiben' ny miaramilany; tao afovoan' ny toby Saola no nandry ary nitoby manodidina azy ny vahoaka. |
Alors David se mit en route et arriva au lieu où Saül campait. Il vit l' endroit où étaient couchés Saül et Abner, fils de Ner, le chef de son armée : Saül était couché dans le campement et la troupe bivouaquait autour de lui. |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 26.7 |
So David and Abishai came to the people by night: and, behold, Saul lay sleeping within the trench, and his spear stuck in the ground at his bolster: but Abner and the people lay round about him. |
Ary tonga tao amin' ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin' ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin' ny tany teo anilan' ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy. |
Alina no nahatongavan' i Davida sy Abisaï tany amin' ny vahoaka; ary inty Saola nandry tao afovoan' ny toby ka natory, ary ny lefony nitsatoka amin' ny tany teo anilan' ny ondany; Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy. |
Donc David et Abishaï se dirigèrent de nuit vers la troupe : ils trouvèrent Saül étendu et dormant dans le campement, sa lance plantée en terre à son chevet, et Abner et l' armée étaient couchés autour de lui. |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 26.14 |
And David cried to the people, and to Abner the son of Ner, saying, Answerest thou not, Abner? Then Abner answered and said, Who art thou that criest to the king? |
ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak' i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan' ny mpanjaka? |
Ary Davida niantso ny vahoaka sy Abnera zanak' i Nera nanao hoe: Tsy hamaly va hianao, ry Abnera? Dia hoy Abnera namaly: Zovy moa hianao, miantso aty amin' ny mpanjaka? |
Alors David appela l' armée et Abner, fils de Ner : " Ne vas-tu pas répondre, Abner ? ", dit-il. Et Abner répondit : " Qui es-tu, toi qui appelles ? " |
1Sm / 1Sam 26.15 |
And David said to Abner, Art not thou a valiant man? and who is like to thee in Israel? wherefore then hast thou not kept thy lord the king? for there came one of the people in to destroy the king thy lord. |
Ary hoy Davida tamin' i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin' ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin' ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao. |
Ary hoy Davida tamin' i Abnera: Tsy lehilahy va hianao? Ary iza no toa anao amin' Israely? Koa nahoana hianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy anankiray tamin' ny vahoaka tonga teny hamono ny mpanjaka tomponao. |
David dit à Abner : " N' es-tu pas un homme ? Et qui est ton pareil en Israël ? Pourquoi donc n' as-tu pas veillé sur le roi ton maître ? Car quelqu' un du peuple est venu pour tuer le roi ton maître. |
|
|
2nd Samuel |
2 Samoela |
Samoela II |
2ème Livre de Samuel |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 2.8 |
But Abner the son of Ner, captain of Saul' s host, took Ishbosheth the son of Saul, and brought him over to Mahanaim; |
Fa Abnera, zanak' i Nera, komandin' ny miaramilan' i Saoly, efa naka an' Isboseta, zanakalahin' i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima, |
Tamin' izany kosa Abnera zanak' i Nera, lehiben' ny foloalindahin' i Saola, dia naka an' i Isboseta, zanak' i Saola, ka rahefa nentiny nankany Mahanaima izy, |
Abner, fils de Ner, le chef d' armée de Saül, avait emmené Ishbaal, fils de Saül, et l' avait fait passer à Mahanayim. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 2.12 |
And Abner the son of Ner, and the servants of Ishbosheth the son of Saul, went out from Mahanaim to Gibeon. |
Ary Abnera, zanak' i Nera, sy ny mpanompon' Isboseta, zanak' i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona. |
Nivoaka avy ao Mahanaima Abnera zanak' i Nera, mbamin' ny mpanompon' Isboseta zanak' i Saola hamely an' i Gabaona. |
Abner, fils de Ner, et la garde d' Ishbaal, fils de Saül, firent une campagne de Mahanayim vers Gabaôn. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 2.14 |
And Abner said to Joab, Let the young men now arise, and play before us. And Joab said, Let them arise. |
Ary hoy Abnera tamin' i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana. |
Dia hoy Abnera tamin' i Joaba: Aoka kely hitsangana ny tovolahy hikatroka eto anatrehantsika. Ary namaly Joaba hoe: Aoka hitsangana izy. |
Abner dit à Joab : " Que les cadets se lèvent et luttent devant nous! " Joab répondit : " Qu' ils se lèvent! " |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 2.17 |
And there was a very sore battle that day; and Abner was beaten, and the men of Israel, before the servants of David. |
Ary mafy ny ady tamin' izany andro izany; ary dia resy teo anoloan' ny mpanompon' i Davida Abnera sy ny lehilahy amin' ny Isiraely. |
Rafitra mafy ny ady tamin' izay andro izay, ary resin' ny mpanompon' i Davida Abnera sy ny lehilahy amin' Israely. |
Alors il y eut en ce jour une très dure bataille et Abner et les gens d' Israël furent battus devant la garde de David. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 2.19 |
And Asahel pursued after Abner; and in going he turned not to the right hand nor to the left from following Abner. |
Ary Asahela nanenjika an' i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an' i Abnera dia tsy nivily akory na tamin' ny ankavanana na tamin' ny ankavia. |
Ka nanenjika an' i Abnera Asaela ary tsy nivily tsy hanjohy an' i Abnera na hiankavanana na hiankavia. |
Il se lança à la poursuite d' Abner, sans dévier de sa trace à droite ni à gauche. |
2Sm / 2Sam 2.20 |
Then Abner looked behind him, and said, Art thou Asahel? And he answered, I am. |
Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity. |
Dia niherika Abnera, ka nanao hoe: Hianao ve ity, ry Asaela? Ary novaliany hoe: Izaho ity! |
Abner se retourna et dit : " Est-ce toi, Asahel ? " et celui-ci répondit : " Oui. " |
2Sm / 2Sam 2.21 |
And Abner said to him, Turn thee aside to thy right hand or to thy left, and lay thee hold on one of the young men, and take thee his armour. But Asahel would not turn aside from following of him. |
Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin' ny ankavanana, na ho amin' ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany. |
Hoy Abnera taminy: Mivilia amin' ny ankavanana, na amin' ny ankavia, ka ny iray amin' ireny tovolahy ireny samborina ka entina ny babo aminy. Tsy nety nivily hiala aminy anefa Asaela. |
Alors Abner dit : " Détourne-toi à droite ou à gauche, attrape l' un des cadets et empare-toi de ses dépouilles. " Mais Asahel ne voulut pas s'écarter de lui. |
2Sm / 2Sam 2.22 |
And Abner said again to Asahel, Turn thee aside from following me: wherefore should I smite thee to the ground? how then should I hold up my face to Joab thy brother? |
Ary hoy indray Abnera tamin' i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin' ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an' i Joaba rahalahinao? |
Ka hoy Abnera taminy fanindroany hoe: Mivilia tsy hanenjika ahy! Hataoko inona moa izay hamono anao hitsingidina amin' ny tany e? Ary hataoko ahoana no fanandratra ny tavako eo imason' i Joaba rahalahinao? |
Abner redit encore à Asahel : " Écarte-toi de moi, que je ne t' abatte pas à terre. Comment pourrais-je regarder en face ton frère Joab ? " |
2Sm / 2Sam 2.23 |
Howbeit he refused to turn aside: wherefore Abner with the hinder end of the spear smote him under the fifth rib, that the spear came out behind him; and he fell down there, and died in the same place: and it came to pass, that as many as came to the place where Asahel fell down and died stood still. |
Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian' i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin' izay. Ary izay rehetra tonga teo amin' ilay nikarapohan' i Asahela sy nahafatesany dia nijanona. |
Fa tsy nety nivily Asaela. Tamin' izay dia nasian' i Abnera tamin' ny antsin-defona ny kibony, ary niboroaka tamin' ny lamosiny ny lefona, ka nitsingidina teo, maty teo no ho eo izy. Niato avokoa izay rehetra tonga teo amin' ny toerana nahalavoany sy nahafatesan' i Asaela. |
Mais, comme il refusait de s'écarter, Abner le frappa au ventre avec le talon de sa lance et la lance lui sortit par le dos : il tomba là et mourut sur place. En arrivant à l' endroit où Asahel était tombé et était mort, tous s' arrêtaient. |
2Sm / 2Sam 2.24 |
Joab also and Abishai pursued after Abner: and the sun went down when they were come to the hill of Ammah, that lieth before Giah by the way of the wilderness of Gibeon. |
Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an' i Abnera; ka nony tonga teo amin' ny havoana Ama izy, izay tandrifin' i Gia amin' ny lalana mankany amin' ny efitr' i Gibeona, dia maty ny masoandro. |
Ary Joaba sy Abisaïa nanenjika an' i Abnera ary tamin' ny nilentehan' ny masoandro izy no tonga teo amin' ny havoan' i Amah izay eo atsinanan' i Giaka, amin' ny làlana mankany an' efitr' i Gabaona. |
Joab et Abishaï se mirent à la poursuite d' Abner et, au coucher du soleil, ils arrivèrent à la colline d' Amma, qui est à l' est de Giah sur le chemin du désert de Gabaôn. |
2Sm / 2Sam 2.25 |
And the children of Benjamin gathered themselves together after Abner, and became one troop, and stood on the top of an hill. |
Ary ny taranak' i Benjamina niangona teo amin' i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon' ny havoana anankiray. |
Nitambatra indray nanaraka an' i Abnera ny taranak' i Benjamina ka nony tafakambana ho antoko miaramila iray ihany izy, dia niato teo an-tampon' ny havoana anankiray. |
Les Benjaminites se groupèrent derrière Abner en formation serrée et firent halte au sommet d' une certaine colline. |
2Sm / 2Sam 2.26 |
Then Abner called to Joab, and said, Shall the sword devour for ever? knowest thou not that it will be bitterness in the latter end? how long shall it be then, ere thou bid the people return from following their brethren? |
Ary Abnera niantso an' i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran' izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny? |
Ary niantso an' i Joaba, Abnera ka nanao hoe: Hanao rapa-dango mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran' izany? Hiandry mandra-pahoviana hianao vao hilaza amin' ny vahoaka ny tsy hanenjika ny rahalahiny? |
Abner appela Joab et dit : " L'épée dévorera-t-elle toujours ? Ne sais-tu pas que cela finira dans l' amertume ? Qu' attends-tu pour ordonner à ces gens d' abandonner la poursuite de leurs frères ? " |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 2.29 |
And Abner and his men walked all that night through the plain, and passed over Jordan, and went through all Bithron, and they came to Mahanaim. |
Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an' i Jordana sy namaky an' i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy. |
Abnera sy ny olony, nony nandeha nandritra ny alina tamin' ny Tany lemaka dia nita an' i Jordany ary namaky an' i Bitrona tontolo, dia tonga tany Mahanaima. |
Abner et ses hommes cheminèrent par la Araba pendant toute cette nuit-là, ils passèrent le Jourdain et, après avoir marché toute la matinée, ils arrivèrent à Mahanayim. |
2Sm / 2Sam 2.30 |
And Joab returned from following Abner: and when he had gathered all the people together, there lacked of David' s servants nineteen men and Asahel. |
Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an' i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin' ny folo lahy ihany mbamin' i Asahela no tsy teo ny mpanompon' i Davida. |
Joaba kosa nitsahatra tsy nanenjika an' i Abnera, fa namory ny vahoaka rehetra; sivy ambin' ny folo lahy tamin' ny mpanompon' i Davida ary Asaela no latsaka. |
Joab, ayant cessé de poursuivre Abner, rassembla toute la troupe : la garde de David avait perdu dix-neuf hommes, plus Asahel, |
2Sm / 2Sam 2.31 |
But the servants of David had smitten of Benjamin, and of Abner' s men, so that three hundred and threescore men died. |
Fa ny mpanompon' i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin' ny Benjamita sy ny olon' i Abnera. |
Ary enimpolo sy telon-jato lahy no matin' ny mpanompon' i Davida, tamin' ny lehilahy amin' i Benjamina sy ny olon' i Abnera. |
mais la garde de David avait tué à Benjamin, aux gens d' Abner, trois cent soixante hommes. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 3.6 |
And it came to pass, while there was war between the house of Saul and the house of David, that Abner made himself strong for the house of Saul. |
Ary raha mbola niady ny tamingan' i Davida sy ny tamingan' i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin' ny tamingan' i Saoly. |
Tamin' ny andro niadian' ny fianakavian' i Saola sy ny fianakavian' i Davida, dia nihamahery Abnera tao amin' ny tranon' i Saola. |
Voici ce qui arriva pendant la guerre entre la maison de Saül et celle de David : Abner s' arrogeait tout pouvoir dans la maison de Saül. |
2Sm / 2Sam 3.7 |
And Saul had a concubine, whose name was Rizpah, the daughter of Aiah: and Ishbosheth said to Abner, Wherefore hast thou gone in unto my father' s concubine? |
(Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin' i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin' i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon' ikaky? |
Ary nisy vaditsindranon' i Saola anankiray natao hoe Resfà zanakavavin' i Aià; ary hoy Isboseta tamin' i Abnera hoe: |
Il y avait une concubine de Saül qui se nommait Riçpa, fille d' Ayya, et Abner la prit. Ishbaal dit à Abner : " Pourquoi t' es-tu approché de la concubine de mon père ? " |
2Sm / 2Sam 3.8 |
Then was Abner very wroth for the words of Ishbosheth, and said, Am I a dog' s head, which against Judah do shew kindness this day unto the house of Saul thy father, to his brethren, and to his friends, and have not delivered thee into the hand of David, that thou chargest me to day with a fault concerning this woman? |
Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin' Isboseta, ka hoy izy: Lohan' alika no miandany amin' ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan' i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan' i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin' iny vehivavy iny? |
Ahoana no nandeha tamin' ny vaditsindranon' i Kaky hianao? Ka tezitra mafy Abnera noho ny tenin' Isboseta ka namaly hoe: Lohan' alika anisan' i Jodà va aho? Amin' izao mampiseho fitiavana ny tranon' i Saola, rainao, sy ny rahalahiny aman-tsakaizany aho, ary tsy nanolotra anao ho eo an-tànan' i Davida ka dia izao hianao no maniny ahy amin' ny hadisoana tamin' iny vehivavy iny? |
Aux paroles d' Ishbaal, Abner entra dans une grande colère et dit : " Suis-je donc une tête de chien ? Je suis plein de bienveillance pour la maison de Saül, ton père, pour ses frères et ses amis, je ne t' abandonne pas entre les mains de David, et maintenant tu me fais des reproches pour une histoire de femme! |
2Sm / 2Sam 3.9 |
So do God to Abner, and more also, except, as the Lord hath sworn to David, even so I do to him; |
Hataon' Andriamanitra amin' i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan' i Jehovah tamin' i Davida, |
Hoentin' Andriamanitra amin' izay ngidiny indrindra anie Abnera raha tsy hataoko amin' i Davida arak' izay nianianan' ny Tompo taminy, |
Que Dieu inflige tel mal à Abner et qu' il y ajoute tel autre si je n' accomplis pas ce que Yahvé a promis par serment à David, |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 3.11 |
And he could not answer Abner a word again, because he feared him. |
Dia tsy nahavaly an' i Abnera intsony izy noho ny tahony azy. |
Tsy nahavaly an' i Abnera Isboseta, na indraim-bava aza, fa natahotra azy. |
Ishbaal n' osa pas répondre un mot à Abner parce qu' il avait peur de lui. |
2Sm / 2Sam 3.12 |
And Abner sent messengers to David on his behalf, saying, Whose is the land? saying also, Make thy league with me, and, behold, my hand shall be with thee, to bring about all Israel unto thee. |
Ary Abnera dia naniraka olona tany amin' i Davida niaraka tamin' izay hanao hoe: An' iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao. |
Dia nanefa iraka nankany amin' i Davida Abnera hilaza aminy, amin' ny anarany, hoe: An' iza ny tany? Manaova fanekena amiko, dia homba anao ny tànako hampihodina an' Israely rehetra hankaminao. |
Abner envoya des messagers dire à David : " ... Fais alliance avec moi et je te soutiendrai pour rallier autour de toi tout Israël. " |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 3.16 |
And her husband went with her along weeping behind her to Bahurim. Then said Abner unto him, Go, return. And he returned. |
Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy. |
ary nanaraka azy ny lahy, nandeha sy nitomany avy ao aoriany, hatreo Batorima, fa nony mby teo, dia hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Ka dia niverina izy. |
Son mari partit avec elle et la suivit en pleurant jusqu'à Bahurim. Alors Abner lui dit : " Retourne! " et il s' en retourna. |
2Sm / 2Sam 3.17 |
And Abner had communication with the elders of Israel, saying, Ye sought for David in times past to be king over you: |
Ary Abnera efa niteny tamin' ny loholon' ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an' i Davida ho mpanjakanareo; |
Nisy dinidinika nataon' i Abnera tamin' ny loholon' Israely, ka hoy izy tamin' izy ireo: Efa ela no nanirianareo an' i Davida ho mpanjakanareo, |
Abner avait eu des pourparlers avec les anciens d' Israël et leur avait dit : " Voici longtemps que vous désirez avoir David pour votre roi. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 3.19 |
And Abner also spake in the ears of Benjamin: and Abner went also to speak in the ears of David in Hebron all that seemed good to Israel, and that seemed good to the whole house of Benjamin. |
Ary Abnera efa niteny tamin' ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin' i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian' ny Isiraely sy ny taranak' i Benjamina rehetra hatao. |
Ary niresaka tamin' i Benjamina koa Abnera, ary lasa Abnera hilaza ho henon' i Davida any Hebrona izay noheverin' Israely sy ny taranak' i Benjamina rehetra ho mety. |
Abner parla aussi à Benjamin, puis il alla à Hébron pour exposer à David tout ce qu' avaient approuvé les Israélites et toute la maison de Benjamin. |
2Sm / 2Sam 3.20 |
So Abner came to David to Hebron, and twenty men with him. And David made Abner and the men that were with him a feast. |
Dia tonga tany amin' i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an' i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida. |
Dia tonga tany amin' i Davida, tany Hebrona Abnera, nomban' olona roapolo lahy. Ary nanao fanasana ho an' i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida. |
Abner, accompagné de vingt hommes, arriva chez David à Hébron et David offrit un festin à Abner et aux hommes qui étaient avec lui. |
2Sm / 2Sam 3.21 |
And Abner said unto David, I will arise and go, and will gather all Israel unto my lord the king, that they may make a league with thee, and that thou mayest reign over all that thine heart desireth. And David sent Abner away; and he went in peace. |
Ary hoy Abnera tamin' i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etý aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin' izay rehetra irin' ny fonao. Ary Davida nampandeha an' i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy. |
Ary hoy Abnera tamin' i Davida: Hitsangana aho ka hiainga hamory an' Israely rehetra ho aty amin' ny mpanjaka tompoko, ary hanao fanekena aminao izy, ka hanjaka amin' izay rehetra irin' ny fonao hianao. Dia nalefan' i Davida Abnera ka nandeha amim-piadanana. |
Abner dit ensuite à David : " Allons! Je vais rassembler tout Israël auprès de Monseigneur le roi : ils concluront un pacte avec toi et tu régneras sur tout ce que tu souhaites. " David congédia Abner, qui partit en paix. |
2Sm / 2Sam 3.22 |
And, behold, the servants of David and Joab came from pursuing a troop, and brought in a great spoil with them: but Abner was not with David in Hebron; for he had sent him away, and he was gone in peace. |
Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an' i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin' i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara. |
Fa indreto kosa tamy ny mpanompon' i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo betsaka niaraka taminy. Tsy teo amin' i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany handeha ka nandeha tamim-piadanana izy. |
Il se trouva que la garde de David et Joab revenaient alors de la razzia, ramenant un énorme butin, et Abner n'était plus auprès de David à Hébron, puisque David l' avait congédié et qu' il était parti en paix. |
2Sm / 2Sam 3.23 |
When Joab and all the host that was with him were come, they told Joab, saying, Abner the son of Ner came to the king, and he hath sent him away, and he is gone in peace. |
Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin' i Joaba hoe: Tonga tao amin' ny mpanjaka Abnera, zanak' i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara. |
Dia tonga Joaba sy ny antokon' olona rehetra niaraka taminy, ka nisy nilaza tamin' i Joaba hoe: tonga tao amin' ny mpanjaka Abnera zanak' i Nera, fa nalefany ka lasa nandeha tamim-piadanana izy! |
Lorsque arrivèrent Joab et toute la troupe qui le suivait, on prévint Joab qu' Abner, fils de Ner, était venu chez le roi et que celui-ci l' avait laissé repartir en paix. |
2Sm / 2Sam 3.24 |
Then Joab came to the king, and said, What hast thou done? behold, Abner came unto thee; why is it that thou hast sent him away, and he is quite gone? |
Ary Joaba nankao amin' ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy? |
Dia nankao amin' ny mpanjaka Joaba, ka nanao hoe: Inona no nataonao? Tonga teo aminao Abnera, ka nahoana no nalefanao sy navelanao handeha? Fantatrao anefa Abnera zanak' i Nera. |
Alors Joab entra chez le roi et dit : " Qu' as-tu fait ? Abner est venu chez toi, pourquoi donc l' as-tu laissé partir ? |
2Sm / 2Sam 3.25 |
Thou knowest Abner the son of Ner, that he came to deceive thee, and to know thy going out and thy coming in, and to know all that thou doest. |
Fantatrao anefa ny amin' i Abnera, zanak' i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao. |
Fa ny hamitaka anao no nahatongavany taty ary hitsikilo ny fanaonao sy hahalala ny ataonao rehetra! |
Tu connais Abner, fils de Ner. C' est pour te tromper qu' il est venu, pour connaître tes allées et venues, pour savoir tout ce que tu fais! " |
2Sm / 2Sam 3.26 |
And when Joab was come out from David, he sent messengers after Abner, which brought him again from the well of Sirah: but David knew it not. |
Dia nivoaka Joaba avy tao amin' i Davida ka naniraka olona hanaraka an' i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin' ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr' i Davida izany. |
Nony avy eo amin' i Davida Joaba dia naniraka olona hanara-dia an' i Abnera, ka avy amin' ny famorian-drano any Sira no nitondrany azy miverina; tsy fantatr' i Davida velively anefa izany. |
Joab sortit de chez David et envoya derrière Abner des messagers qui le firent revenir depuis la citerne de Sira, à l' insu de David. |
2Sm / 2Sam 3.27 |
And when Abner was returned to Hebron, Joab took him aside in the gate to speak with him quietly, and smote him there under the fifth rib, that he died, for the blood of Asahel his brother. |
Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin' i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin' ny kibony ka matiny ho todin' ny ran' i Asahela rahalahiny. |
Nony tafaverina tao Hebrona Abnera dia nentin' i Joaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin' ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin' ny ràn' i Asaela, rahalahin' i Joaba. |
Quand Abner arriva à Hébron, Joab le prit à l'écart à l' intérieur de la porte, sous prétexte de parler tranquillement avec lui, et là il le frappa mortellement au ventre, à cause du sang d' Asahel son frère. |
2Sm / 2Sam 3.28 |
And afterward when David heard it, he said, I and my kingdom are guiltless before the Lord for ever from the blood of Abner the son of Ner: |
Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan' i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin' ny ran' i Abnera, zanak' i Nera. |
Ren' i Davida izany, taty aoriana, ka hoy izy: Tsy manan-tsiny mandrakizay eo anatrehan' ny Tompo aho sy ny fanjakako, ny amin' ny ràn' i Abnera zanak' i Nera. |
Lorsque David apprit ensuite la chose, il dit : " Moi et mon royaume, nous sommes pour toujours innocents devant Yahvé du sang d' Abner, fils de Ner : |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 3.30 |
So Joab, and Abishai his brother slew Abner, because he had slain their brother Asahel at Gibeon in the battle. |
Toy izany no namonoan' i Joaba sy Abisay rahalahiny an' i Abnera noho ny namonoany an' i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin' ny ady. |
Dia toy izany no namonoan' i Joaba sy Abisaïa rahalahiny an' i Abnera, noho ny namonoany an' i Asaela rahalahiny tany Gabaona tamin' ny ady. |
Joab et son frère Abishaï avaient assassiné Abner parce qu' il avait fait mourir leur frère Asahel au combat de Gabaôn. |
2Sm / 2Sam 3.31 |
And David said to Joab, and to all the people that were with him, Rend your clothes, and gird you with sackcloth, and mourn before Abner. And king David himself followed the bier. |
Ary hoy Davida tamin' i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan' i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona. |
Ary hoy Davida tamin' i Joaba sy ny vahoaka rehetra teo aminy: Triaro ny fitafianareo, misikìna lasaka, ary aoka hisaona eo anoloan' i Abnera hianareo. Dia nandeha teo aorian' ny tranovorona Davida mpanjaka. |
David dit à Joab et à toute la troupe qui l' accompagnait : " Déchirez vos vêtements, mettez des sacs et faites le deuil devant Abner ", et le roi David marchait derrière la civière. |
2Sm / 2Sam 3.32 |
And they buried Abner in Hebron: and the king lifted up his voice, and wept at the grave of Abner; and all the people wept. |
Dia nandevina an' i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin' ny fasan' i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa. |
Tao Hebrona no nalevina Abnera. Nitomany tamin' ny feo avo ny mpanjaka teo amin' ny fasan' i Abnera, ary nitomany koa ny vahoaka rehetra. |
On ensevelit Abner à Hébron; le roi éclata en sanglots sur sa tombe et tout le peuple pleura aussi. |
2Sm / 2Sam 3.33 |
And the king lamented over Abner, and said, Died Abner as a fool dieth? |
Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an' i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan' ny adala va no tokony ho nahafatesan' i Abnera? |
Nanao hira fisaoana an' i Abnera ny mpanjaka nanao hoe: Toy ny fahafatin' adala va no tokony ho nahafatesan' i Abnera? |
Le roi chanta cette complainte sur Abner : " Abner devait-il mourir comme meurt l' insensé ? |
2Sm / 2Sam 3.34 |
Thy hands were not bound, nor thy feet put into fetters: as a man falleth before wicked men, so fellest thou. And all the people wept again over him. |
Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok' izay asian' ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray. |
Tsy nifatotra ny tananao, tsy nigadra ny tongotrao, Fa toy ny fahalavon' olona sehatra ny olon-dratsy ny nahalavo anao! Dia nanohy nigogogogo nitomany an' i Abnera ny vahoaka rehetra; |
Tes mains n'étaient pas liées, tes pieds n'étaient pas mis aux fers, tu es tombé comme on tombe devant des malfaiteurs! " et les larmes de tout le peuple redoublèrent. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 3.37 |
For all the people and all Israel understood that day that it was not of the king to slay Abner the son of Ner. |
Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin' izany andro izany fa tsy avy tamin' ny mpanjaka no nahafaty an' i Abnera, zanak' i Nera. |
Fantatry ny vahoaka rehetra sy Israely rehetra, tamin' izany andro izany fa tsy mba avy amin' ny mpanjaka velively ny namonoana an' i Abnera, zanak' i Nera. |
Ce jour-là, tout le peuple et tout Israël comprirent que le roi n'était pour rien dans la mort d' Abner, fils de Ner. |
2Sm / 2Sam 4.1 |
And when Saul' s son heard that Abner was dead in Hebron, his hands were feeble, and all the Israelites were troubled. |
Ary nony ren' ny zanakalahin' i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra. |
Nony ren' ny zanakalahin' i Saola fa hoe maty Abnera, tao Hebrona, dia niraviravy tànana izy ary kivy ratsy Israely rehetra. |
Lorsque le fils de Saül apprit qu' Abner était mort à Hébron, les mains lui tombèrent et tout Israël fut consterné. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Sm / 2Sam 4.12 |
And David commanded his young men, and they slew them, and cut off their hands and their feet, and hanged them up over the pool in Hebron. But they took the head of Ishbosheth, and buried it in the sepulchre of Abner in Hebron. |
Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan' ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan' Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan' i Abnera tao Hebrona. |
Dia nandidy ny zatovo hamono azy ireo Davida; ary notapahin' izy ireo ny tongony aman-tànany, ka nahantony teo amoron' ny farihy any Hebrona. Rahefa izany dia nalainy ny lohan' Isboseta sy naleviny tao amin' ny fasan' i Abnera ao Hebrona. |
Alors David donna un ordre aux cadets et ceux-ci les mirent à mort. On leur coupa les mains et les pieds et on les suspendit près de l'étang d' Hébron. Quant à la tête d' Ishbaal, on la prit et on l' ensevelit dans le tombeau d' Abner à Hébron. |
|
|
1st Book of Kings |
1 Mpanjaka |
Mpanjaka I |
1er Livre des Rois |
... | ... | ... | ... | ... |
1Mp 2.5 |
Moreover thou knowest also what Joab the son of Zeruiah did to me, and what he did to the two captains of the hosts of Israel, unto Abner the son of Ner, and unto Amasa the son of Jether, whom he slew, and shed the blood of war in peace, and put the blood of war upon his girdle that was about his loins, and in his shoes that were on his feet. |
Ary ianao koa mahalala izay nataon' i Joaba, zanak' i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin' izy roa lahy komandin' ny miaramilan' ny Isiraely, dia tamin' i Abnera, zanak' i Nera, sy tamin' i Amasa, zanak' i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin' ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin' ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony. |
Ary fantatrao ihany ny nataon' i Joaba zanak' i Sarvià tamiko, dia ilay nataony tamin' izy roa lahy, Abnera zanak' i Nera, sy Amasà zanak' i Jetera, filohan' ny tafik' Israely, fa novonoiny ireo, ka ny rà fandatsaka amin' ny ady, nalatsany amin' izao tany mandry izao, ary ny rà fandatsaka amin' ny ady, dia nataony tamin' ny fehin-kibo teny am-balahany sy tamin' ny kapa teny amin' ny tongony! |
Tu sais aussi ce que m' a fait Joab fils de Çeruya, ce qu' il a fait aux deux chefs de l' armée d' Israël, Abner fils de Ner et Amasa fils de Yéter, comment il les a tués, comment il a vengé pendant la paix le sang de la guerre et taché d' un sang innocent le ceinturon de mes reins et la sandale de mes pieds ; |
... | ... | ... | ... | ... |
1Mp 2.32 |
And the Lord shall return his blood upon his own head, who fell upon two men more righteous and better than he, and slew them with the sword, my father David not knowing thereof, to wit, Abner the son of Ner, captain of the host of Israel, and Amasa the son of Jether, captain of the host of Judah. |
Dia hatsingerin' i Jehovah ho amin' ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin' ny sabatra, dia Abnera, zanak' i Nera, komandin' ny miaramilan' ny Isiraely sy Amasa, zanak' i Jatera, komandin' ny miaramilan' ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory |
Hatsingerin' ny Tompo eo an-dohany ihany ny ràny, fa olona roa lahy, marina sy tsara noho izy, no nasiany sy novonoiny tamin' ny sabatra, nefa tsy fantatr' i Davida raiko izany, dia Abnera zanak' i Nera, filohan' ny tafik' Israely, sy Amasà, zanak' i Jetera, filohan' ny tafik' i Jodà. |
Yahvé fera retomber son sang sur sa tête parce qu' il a frappé deux hommes plus justes et meilleurs que lui et les a tués par l'épée à l' insu de mon père David : Abner fils de Ner, chef de l' armée d' Israël, et Amasa fils de Yéter, chef de l' armée de Juda. |
|
|
1st Book of Chronicles |
1 Tantara |
Tantara I |
1er Livre des Chroniques |
... | ... | ... | ... | ... |
1Tt / 1Tan 26.28 |
And all that Samuel the seer, and Saul the son of Kish, and Abner the son of Ner, and Joab the son of Zeruiah, had dedicated; and whosoever had dedicated any thing, it was under the hand of Shelomith, and of his brethren. |
Ary izay rehetra nohamasinin' i Samoela mpahita sy Saoly, zanak' i Kisy, sy Abnera, zanak' i Nera, sy Joaba, zanak' i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. |
Ny zavatra rehetra natokan' i Samoela mpahita, Saola zanak' i Kisa, Abnera zanak' i Nera, Joaba zanak' i Sarvià sy ny olon-kafa na iza na iza dia teo am-pelatànan' i Selemita mbamin' ireo rahalahiny avokoa. |
ainsi que de tout ce qu' avaient consacré Samuel le voyant, Saül fils de Qish, Abner fils de Ner et Joab fils de Çeruya. Tout ce que l' on consacrait fut sous la responsabilité de Shelomit et de ses frères. |
... | ... | ... | ... | ... |
1Tt / 1Tan 27.21 |
Of the half tribe of Manasseh in Gilead, Iddo the son of Zechariah: of Benjamin, Jaasiel the son of Abner: |
tamin' ny antsasaky ny firenen' i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin' i Zakaria; tamin' ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin' i Abnera; |
amin' ny antsasa-pokon' i Manase any Galaada, Jadao zanak' i Zakariasa; amin' i Benjamina, Jasiela zanak' i Abnera; |
Yiddo fils de Zekaryahu la demi-tribu de Manassé en Galaad, Yaasiel fils d' Abner les Benjaminites, |