|
|
|
|

Chapters and verses mentioning Rekabita

  2nd Samuel 2 Samoela Samoela II 2ème Livre de Samuel
...............
2Sm / 2Sam 4.2 And Saul' s son had two men that were captains of bands: the name of the one was Baanah, and the name of the other Rechab, the sons of Rimmon a Beerothite, of the children of Benjamin: (for Beeroth also was reckoned to Benjamin. Ary nisy roa lahy, lehiben' ny mpitohan' ny zanakalahin' i Saoly, Bana no anaran' ny iray, ary Rekaba no anaran' ny iray, samy zanak' i Rimona Berotita tamin' ny taranak' i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan' ny an' i Benjamina; Roa no lehiben' ny antokon' olon' ny zanakalahin' i Saola, dia Baanà ny anankiray, ary Rekaba ny anankiray, samy zanak' i Remona avy ao Berota amin' ny taranak' i Benjamina. Fa natao isan' i Benjamina koa Berota, Or le fils de Saül avait deux chefs de bandes, qui s' appelaient, l' un Baana et le second Rékab. Ils étaient les fils de Rimmôn de Béérot et Benjaminites, car Béérot aussi est attribuée à Benjamin.
...............
2Sm / 2Sam 4.5 And the sons of Rimmon the Beerothite, Rechab and Baanah, went, and came about the heat of the day to the house of Ishbosheth, who lay on a bed at noon. Ary Rekaba sy Bana, zanak' i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon' Isboseta, tamin' ilay izy nandriandry tamin' ny antoandro iny. Ary tonga Rekaba sy Baanà zanak' i Remona avy any Berota, ka nony tamin' ilay andro nigaingaina iny indrindra, dia niditra tao an-tranon' Isboseta izay nandrinandry niala sasatra tamin' ny misasaka andro. Les fils de Rimmôn de Béérot, Rékab et Baana, s'étant mis en route, arrivèrent à l' heure la plus chaude du jour à la maison d' Ishbaal, quand celui-ci faisait la sieste.
2Sm / 2Sam 4.6 And they came thither into the midst of the house, as though they would have fetched wheat; and they smote him under the fifth rib: and Rechab and Baanah his brother escaped. Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin' ny kibony, dia lasa nandositra. Nony niroso hatreo afovoan-trano haka vary izy ireo, dia nasiany tamin' ny kibony izy. Ary Rekaba sy Baanà rahalahiny dia nitsoriaka an-tsokosoko. La portière, qui mondait du blé, s'était assoupie et dormait. Rékab et son frère Baana se faufilèrent
...............
2Sm / 2Sam 4.9 And David answered Rechab and Baanah his brother, the sons of Rimmon the Beerothite, and said unto them, As the Lord liveth, who hath redeemed my soul out of all adversity, Ary hoy Davida tamin' i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak' i Rimona Berotita: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin' ny fahoriana rehetra, Ary hoy ny navalin' i Davida tamin' i Rekaba sy Baanà rahalahiny, zana-dRemona, avy any Berota: Velona Iaveh, izay nanafaka ahy tamin' ny loza rehetra! Mais David, s' adressant à Rékab et à son frère Baana, les fils de Rimmôn de Béérot, leur dit : " Par la vie de Yahvé, qui m' a délivré de toute détresse!

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 10.15 And when he was departed thence, he lighted on Jehonadab the son of Rechab coming to meet him: and he saluted him, and said to him, Is thine heart right, as my heart is with thy heart? And Jehonadab answered, It is. If it be, give me thine hand. And he gave him his hand; and he took him up to him into the chariot. Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an' i Jonadaba, zanakalahin' i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin' ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin' i Jeho ho eo aminy teo anatin' ny kalesy izy. Nony niala teo izy, dia nifanena tamin' i Jonadaba, zanak' i Rekaba, izay tonga hitsena azy, ka niarahaba azy sy nanao taminy hoe: Mba tsotra tahaka izany foko aminao izany va ny fonao? Dia namaly Jonadaba hoe: Izany indrindra. Raha izany ary, hoy Jeho, tolory tànana aho. Dia natolotr' i Jonadaba azy ny tànany, ka nasain' i Jeho niakatra ho eo anilany teo ambony kalesy izy, nataony hoe: Parti de là, il trouva Yonadab fils de Rékab, qui venait à sa rencontre; il le salua et lui dit : "Ton coeur est-il loyalement avec le mien, comme mon coeur est avec le tien?" Yonadab répondit : "Oui""Si c' est oui, donne-moi la main." Yonadab lui donna la main et Jéhu le fit monter près de lui sur le char.
...............
2Mp 10.23 And Jehu went, and Jehonadab the son of Rechab, into the house of Baal, and said unto the worshippers of Baal, Search, and look that there be here with you none of the servants of the Lord, but the worshippers of Baal only. Ary Jeho sy Jonadaba, zanak' i Rekaba, nankao an-tranon' i Bala ka niteny tamin' ny mpanompon' i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon' i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon' i Bala ihany. Ary tamin' izay dia tonga tao an-tranon' i Baala Jeho niaraka tamin' i Jonadaba zanak' i Akaba, ka hoy izy tamin' ny mpanompon' i Baala: Karohy ary zahao, mba tsy hisy mpanompon' ny Tompo eto aminareo, fa ny mpanompon' i Baala ihany. Jéhu vint au temple de Baal avec Yonadab fils de Rékab et dit aux fidèles de Baal : "Assurez-vous bien qu' il n' y a pas de serviteurs de Yahvé ici avec vous, mais rien que des fidèles de Baal",

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 2.55 And the families of the scribes which dwelt at Jabez; the Tirathites, the Shimeathites, and Suchathites. These are the Kenites that came of Hemath, the father of the house of Rechab. ary ny fokon' ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin' i Hamata, rain' ny taranak' i Rekaba. mbamin' ny fokon' ny mpanoratra monina any Jabesa, dia ny Tiratiana, ny Skomatiana, ary ny Sokatiana. Ireo no Kineana avy amin' i Hamata, rain' ny fianakavian' i Rekaba. les clans Sophrites habitant Yabèç, les Tiréatites, les Shiméatites, les Sukatites. Ce sont les Qénites qui viennent de Hammat, père de la maison de Rékab.

  Book of Nehemiah Nehemia Nehemia Livre de Néhémie
...............
Neh / Ne 3.14 But the dung gate repaired Malchiah the son of Rechab, the ruler of part of Bethhaccerem; he built it, and set up the doors thereof, the locks thereof, and the bars thereof. Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin' i Malkia, zanak' i Rekaba, komandin' ny fehin' i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombiny. Melkiasa zanak' i Rekaba, lehiben' ny faritanin' i Betakarama no nanamboatra ny vavahadin' ny Zezika; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin' ny karetsaka sy ny barany. Quant à la porte du Fumier, Malkiyya, fils de Rékab, chef du district de Bet-ha-Kérem, la répara, lui et ses fils : il fixa ses battants, verrous et barres.

  Book of Jeremiah Jeremia Jeremia Livre de Jérémie
...............
Jer / Jr 35.2 Go unto the house of the Rechabites, and speak unto them, and bring them into the house of the Lord, into one of the chambers, and give them wine to drink. Mankanesa any amin' ny taranak' i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon' i Jehovah, ao amin' ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny. Mandehana hianao mankany amin' ny fianakavian' ny Rekabita, ka mitenena aminy. Ento ho ao an-tranon' ny Tompo amin' ny efitrano anankiray izy ireo, ka tolory divay hosotroiny. "Va trouver le groupe des Rékabites, parle avec eux et amène-les au Temple de Yahvé, dans l' une des salles, pour leur offrir du vin à boire."
Jer / Jr 35.3 Then I took Jaazaniah the son of Jeremiah, the son of Habaziniah, and his brethren, and all his sons, and the whole house of the Rechabites; Dia nalaiko Jazania, zanak' i Jeremia, zanak' i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin' ny taranak' i Rekaba rehetra, Koa dia nalaiko Jezoniasa, zanak' i Jeremia, zanak' i Habsaniasa, mbamin' ireo rahalahiny sy ireo zanany rehetra ary ny fianakavian' ny Rekabita rehetra; Je pris donc Yaazanya, fils de Yirmeyahu, fils de Habaççinya, ainsi que ses frères et tous ses fils, tout le groupe des Rékabites;
...............
Jer / Jr 35.5 And I set before the sons of the house of the Rechabites pots full of wine, and cups, and I said unto them, Drink ye wine. Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan' ny taranak' i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo. Narosoko teo anoloan' ny zanaky ny fianakavian' ny Rekabita siny feno divay mbamin' ny kapoaka, dia hoy aho taminy: Misotroa divay hianareo. devant les membres du groupe rékabite, je mis des amphores pleines de vin ainsi que des coupes et je leur dis : "Buvez du vin!"
Jer / Jr 35.6 But they said, We will drink no wine: for Jonadab the son of Rechab our father commanded us, saying, Ye shall drink no wine, neither ye, nor your sons for ever: Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak' i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay; Fa hoy kosa izy ireo: Tsy mba misotro divay izahay; satria izao no didy napetrak' i Jonadaba, zana-dRekaba, razanay, taminay: Aza misy misotro divay, na hianareo na ny zanakareo mandrakizay. Mais ils répondirent : "Nous ne buvons pas de vin, car notre ancêtre Yonadab, fils de Rékab, nous a donné cet ordre : Vous ne boirez jamais de vin, ni vous, ni vos fils;
...............
Jer / Jr 35.8 Thus have we obeyed the voice of Jonadab the son of Rechab our father in all that he hath charged us, to drink no wine all our days, we, our wives, our sons, nor our daughters; Dia nankatoavinay izany tenin' i Jonadaba, zanak' i Rekaba, razanay izany tamin' izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin' ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy; Koa notandremanay ny tenin' i Jonadaba, zana-dRekaba, razanay, tamin' ny zavatra rehetra nandidiany anay, ka dia tsy misotro divay na oviana na oviana, na ny tenanay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy; Nous avons obéi à tout ce que nous a ordonné notre ancêtre Yonadab, fils de Rékab, ne buvant jamais de vin, nous, nos femmes, nos fils et nos filles,
...............
Jer / Jr 35.14 The words of Jonadab the son of Rechab, that he commanded his sons not to drink wine, are performed; for unto this day they drink none, but obey their father' s commandment: notwithstanding I have spoken unto you, rising early and speaking; but ye hearkened not unto me. To ny tenin' i Jonadaba, zanak' i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka androany, fa mahatana ny hafa-drazany, ary Izaho efa niteny taminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino ianareo. Voatandrina ny tenin' i Jonadaba zana-dRekaba; norarany tsy hisotro divay ny zanany, dia tsy nisotro izy ireo, noho ny fanekeny ny didin-drainy, mandrak' androany; ary izaho niteny taminareo koa, nefa tsy nihaino ahy hianareo! On a observé les paroles de Yonadab, fils de Rékab; il a défendu à ses fils de boire du vin et jusqu' aujourd' hui ils n' en ont pas bu, obéissant à l' ordre de leur ancêtre. Et moi qui vous ai parlé sans me lasser et avec insistance, vous ne m' avez pas écouté.
...............
Jer / Jr 35.16 Because the sons of Jonadab the son of Rechab have performed the commandment of their father, which he commanded them; but this people hath not hearkened unto me: Eny, nankatoavin' ny zanak' i Jonadaba, zanak' i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy. Eny, ny taranak' i Jonadaba, zana-dRekaba, nitandrina ny didy napetraky ny razany taminy; fa ity vahoaka ity kosa, tsy mba mihaino ahy! Ainsi les descendants de Yonadab, fils de Rékab, ont observé l' ordre donné par leur ancêtre, tandis que ce peuple ne m' a pas écouté!
...............
Jer / Jr 35.18 And Jeremiah said unto the house of the Rechabites, Thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; Because ye have obeyed the commandment of Jonadab your father, and kept all his precepts, and done according unto all that he hath commanded you: Ary ny taranak' i Rekaba dia nilazan' i Jeremia hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr' i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo, Ary hoy Jeremia tamin' ny fianakavian' ny Rekabita: Izao no lazain' ny Tompon' ny tafika, Andriamanitr' Israely: Noho hianareo nanaiky ny didin' i Jonadaba razanareo, sy nitandrina ny didiny rehetra, ary nanatanteraka izay rehetra nasainy nataonareo, Alors Jérémie dit au groupe rékabite : "Ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël. Puisque vous avez obéi à l' ordre de votre ancêtre Yonadab, que vous avez observé tous ses ordres et pratiqué tout ce qu' il vous a ordonné,
Jer / Jr 35.19 Therefore thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; Jonadab the son of Rechab shall not want a man to stand before me for ever. dia izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak' i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay. noho izany dia izao no lazain' ny Tompon' ny tafika Andriamanitr' Israely: Na oviana na oviana tsy ho lany zanakalahy hitsangana eo anatrehako i Jonadaba, zana-dRekaba. eh bien! ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël : Yonadab, fils de Rékab, ne manquera jamais de quelqu' un qui se tienne en ma présence, pour toujours."