|
|
|
|

Entry zoro
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Faritra kitso eo amin' ny fihaonan' ny rindrina roa: Zoron-trano
Rirana, ny mivohitra amin' ny fihaonan' ny lafy roa mifanapaka: Telo zoro ny zozoro ~ Zoron-databatra
Kiho: Zoron-dalana
Ireo lafy avaratra-atsinanana; atsimo-atsinanana; atsimo-andrefana; avaratra-andrefana amin' ny tany atao hoe vazan-tany: Zoron-tany efatra
Ny hazo atao amin' ny zoron-trano efatra amin' ny trano kotona nahatonga ny fitenenana hoe "sakeli-mihoa-joro".
Fikaonan' ny tsipika roa mifanapaka: Zoro sokera, zoro dombo, zoro maranitra [1.1]
Explanations in English A corner
An angle. [Vocabulary: Mathematics: geometry] [1.7]
Explanations in French Coin
Angle. [Vocabulary: Mathematics: geometry] [1.8, 1.13]
Examples 
1Ny reni-vintana zoro efatra kosa dia 30 andro ka ny faha -31 andro izy no tsinana. [1.381]
2Indraindray telo zoro, na efa-joro, na dimy zoro izy, ary misy izay misy hasiny, ets. [1.357]
Morphology 
Simple : zoro, zoroko, zoronao, zorony, zorontsika, zoronay, zoronareo, zoron', zoron-, zorom-
Prefixed : -joro, -joroko, -joronao, -jorony, -jorontsika, -joronay, -joronareo, -joron', -joron-, -jorom-
Derivatives 

Entry zoro
Part of speech noun
Explanations in French Jour [1.13]
Vocabulary 
Origin French: jour.

Entry zôro
Part of speech noun
Explanations in Malagasy  [Sihanaka] Zozoro maniry [1.78]
Explanations in French  [Betsimisaraka Avaratra] En ce qui concerne les plantes : tige triquètre, anguleuse, comme celle des Cyperaceae. Dans le Nord-Est, synonyme de bilo . [1.196]
Vocabulary 

Updated on 2023/06/17