7 Dodona aho hanimbolo
8 F'efa babony tontolo,
9 Kanjo he! mangasihasy!
10 Voninkazo taratasy!
11 Ny voninkazo-Nanahary
12 Ve tsy nisy? ka inona àry,
13 Ka inona no nanolorana
14 'Ty voninkazo torantorana?
15 Karazan-doko mahakofona
16 Fa tsy hanitra na fofona,
17 Nony'njay atao an-tratra:
18 Henjankenjana mandratra.
19 Samy voninkazo ihany:
20 Ny iray velomin-tany,
21 Dokadoka, lenodenoka,
22 Misy fofo-maharenoka!
|
23 Samy voninkazo ihany:
24 Ny iray namboarina any ho any
25 Lafo vidy, sarotsarotra,
26 Entam-barotra! entam-barotra!
27 Samy fotsy, samy mena,
28 Samy ngita raha jerena.
29 Ny iray, fahaizana hosodoko;
30 Ny iray, kilalaon'ny foko!
31 Eto an-tany koa dia misy
32 Toerana amboarina indrisy!
33 Maka tahaka ny lanitra,
34 Nefa tsisy fofo-manitra.
|