Entry vodivoampelatanana (vody, voa, felatra, tanana)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Halavan-drefy mitovy amin' ny haben' ny felatanana iray manontolo apetraka mihohoka; ny sakan' ny felatanana. Ny vodivoampelatanana dia mitovy amin' ny voantondro dimy [1.1]
Explanations in French La largeur de la paume de la main. [2.415]
Examples Toy izao avy no fìlaza ny refy mahery: refy sy voatondro iray, roa, telo, efatra, refy sy vodivoampelatanana, refy hondry, refy sy vehana, refy sy hakiho refy sy hamaton-tsandry refy sy tovo-tsandry refy sy ampamelomantokana refy sy mamakitratra refy sy ampamelomandroa refy sy manindao. [2.436]
Vocabulary 

Updated on 2022/10/30