Entry Vetsovetso takariva
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Eliza Freda
Text 
Singan'olona toa very izany izaho,
Ravin-kazo tafasaraka aman-taho,
Tapak'ahitra entin-drano ka indrisy!
'Zay mba toeran-kitodiana toa tsy hisy!

Zana-borona nanintsana elatra aho,
Raiki-tahotry ny oram-be mitraho;
Tsy mba zatry ny fanalan-keniheny
Ka maniry hombomban' ny ela-dReny!

Ombimanga diso ala mantsy aho, io
Manin-kavana tsy foy ka mitalaho.
Any am-badika, atsimon'iny bainga,
' Zay milaza tsy hisento dia mandainga!

Mpivahiny mbola lavi-dalana aho;
Raha sendra tianareo mba iaraho,
Aza ilaozana midify, fa andraso,
E! ry Vorona eny Ampamoizamaso!

Manantena sady miandry fatratra aho,
Ka ny taratrao, ry Volana, apariaho!
Dia vimbino izany alahelo izany,
Fa ianao no tazana eto, tsinjo any!

O! ry Kintana, ombay manatrika aho,
Mila tsy ho very dia ka iresaho!
Ianareo eo no solon-kava-mahatratra
Hilazako'zay mba zavatra mihatra!

Singan'olona toa very izany izaho,
Sao dia tolan'ny manjo ka ivavaho,
ry Zoky I ry Zandry hany fara!
Tsofy rano mba ho tonga soa aman-tsara!

Dia veloma sy masina indrindra, ho'aho!
Ny fiarovan'ny Tsitoha no angataho,
'Zany " Sandriny Mahery " tsy hiala,
Fa hivimbina ny dian'ilay malala!
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Updated on 2023/04/02