Entry | 1 tsipetrika |
Part of speech | 2 noun |
Explanations in Malagasy |
3 [1.1] Volotsangana mitovy habe amin' ny valiha: iray metatra sy sasany ka hatramin' ny dimy metatra ary velezina amin' ny tsorakazo kely anankiroa: olona maromaro no indray mively ka samy manana ny fipaikany avy ary dia tahaka ny tehak' olona zato any ho any ny feony. Misy fomba telo fampiasana azy: apetraka amin' ny tany, ka mipetraka amin' ny tany ny mpively azy -- asiana tsatoka roa hiantonany ka mitsangana ny mpively azy -- tazonin' olon-droa (iray avy isaky ny tendrony) ka mahazo mamindra na manao fihetsehana ny mpively azy. Saika fampiasa hatraiza hatraiza izy ity fa ny anarany no samy hafa: tsikaretika (Antsiranana), karatsaka (Soalala), kimbolo (Antsohihy), peripetika (Betsimisaraka) |
Updated on 2025/02/02 |
![]() |