Explanations in Malagasy | Rakotonaivo François (1924-) Teraka tany Betatao (Anjojorobe) tamin' ny 10 oktobra 1924.
Nianatra tao amin' ny Petit Séminaire-Ambohipo, Kolejy Masina Misely-Amparibe,
ary Lycée Galliéni izy. Nampianatra nandritra ny 14 taona.
Nanomboka nanoratra tao amin' ny gazety "
Anivon' ny Riaka - L' Ile Australe"
niandraikitran' Andriamatoa Régis Rajemisa-Raolison.
Talen' ny gazety
Sori-Dalana (1957-1958).
Tonian' ny Filazam-baovao tao amin' ny Radio-Madagasikara teto Antananarivo,
tany Antsiranana sy tany Fianarantsoa. Talen' ny Radio-Madagasikara (1976-1978).
Mari-boninahitra: Chevalier de l'Ordre national Malagasy.
[2.327]
|