Entry | 1 Ny veloma izay napetrany |
Part of speech | 2 name (book title) [Full list] |
Vocabulary |
3 Literature: books |
Author |
4 Ratsimbazafy Gilbert |
Publishings |
5 . Pages: 201 |
Text |
6 Rakotomalala
7 Rakotomalala rain'i Lisy, hoy izy nanomboka, dia isan'ny lehilahy azo atao hoe manana. Mpampanao sy mpivarotra biriky tanimanga no raharahany, dia manao sy mivarotra trano vita koa. Lehilahy sady mahira-tsaina izy no tsara fanahy ka tsy mba sahirana mandrakariva tamin'ny raharahany. Be olom-pantatra koa izy ka maro mpividy ny varony ary mandroso tsy mijanona ny raharahany, araka izao hitan'ise amin'ny fandrosoan'ny fanaovan-trano sy fitaran'ny tanànan'Antananarivo izao. Kamiao ny azy no mpitatitra ny biriky sy ampiasainy koa amin'ny fanaovan-trano, ka satrin'ny io olona ihany aminy no mividy biriky fa tateriny hatreny amin'izay ampiasana azy izy ireny. Dimy ny tranon-dry zareo no tsy mba namidiny mihitsy fa notazoniny nahofany, ka ireo no noheverin' Ingahy Rakotomalala hitsinjovany ny vody androho meriky ny fahanterany; anankiray amin'ireny ilay ipetrahan-dry zareo ka nidirantsika sy ise omaly iny. Tsy mba mandala vola aman-karena izy amin'ny fianaran'ireo zanany, nefa koa, na miboika tsy ritra toy ny loharano ambody tendrombohitra aza ny volany, dia tsy mba nentiny nizahozaho na oviana na oviana izany; fady azy mianakavy ny misehoseho foana. Tsy mbola fantatr'ise angamba fa manana aotomobilina fitondra mitsangantsangana koa rizareo, nefa ireo zanany dia samy dia an-tongotra no andehanany mianatra, na lavitra na akaiky no misy ilay sekoly. Sady fahasalamana ho an'ny zanany, hono, ny dia an-tongotra no tsy mahatonga azy ireo hiaingitraingi-poana. Izany tsy milaza fa kahihitra ny lehilahy. Hitan'ise araka ireny tokantranony ireny fa izay rehetra mety hampiadana ao an-tokantrano dia ananany avokoa. 8 Ny antony itantarako lava amin'ise ny amin'Ingahy Rakotomalala dia noho izao antony izao: i dada no noheveriko ho lehilahy hany azoko noderaina tamin'ny fiainany tamin'ny lehilahy rehetra efa hitako toe-piaina, fa Rangahy ity dia tsy latsaka noho izy, na manan-tombo kely aza noho ny fianarana hitany bebe kokoa. 9 - Hafa be ise izany, hoy aho; ny midera vady tsy miherin-taona aza, hono, tsy fanao, ka ise kosa mbola fofom-binanto dia midera rafozana sahady. 10 - Rehefa mahita ka mahalala azy tanteraka ise, ary mahatsapa ny toe-tsainy raha miresaka aminy fotoana maharitraritra, dia mbola ise io indrindra no angamba ho be filaza 11 Fianakaviana modernina
13 Ary raha ny momba ny lafiny tamin'ny fianakavian-dry Monique indray, dia toy izao: be fihetsehana ry zareo. Mpanara-damaody izy mianakavy sady mpividy masom-bahoaka. Raha be fidiram-bola indray moa ka na hanao izany aza dia mbola atao hoe entanin' ny volabeny angaha, fa raha olona minia misahirana kosa noho ny fidiram-bola tsy ampiampy no manao izany, dia vao mainka meloka indroa no fiheverako azy. Mpiasam-panjakana Randrianasy rainy, nefa dia mboly kelikely ny karaman'izy ireny tamin'izany fotoana izany, na efa tamin'ny toerana ambonimbony ihany teo amin' ny samy Malagasy aza no nisy azy. Na kely am-pitenenana aza mantsy ny vola miditra kanefa mahay mitantana izany ny idirany, dia tsy mbola azo lazaina ho kely izy, fa raha miroborobo fitantana kosa ilay mpandray, dia tsaroana ny tena mahakely azy. 14 Tamin'izany fanenjehana fihetsiketsehana teo amin-dry zareo izany, dia nisy aza sahy nilaza fa ny sasany tamin'ireo fanaka tao an-tranony, hono, dia nohofany. Izay trano dia tsy nananany, fa trano nohofana koa no nipetrahany. Vavy tokana koa moa i Monique, koa dia nanaram-po ery teo amin'ny fitiavan'ireo ray aman-dreniny azy. Isan-javatra anankiray tsy nahazoazoako ity fianakaviana ity koa, dia ny fitiavana manao fanasana loatra. Nohararaotin'izy ireo daholo izay rehetra azo nahararaotina hanaovana an'ireny: fisondrotan-kilasin'Ingahy Randrianasy, fitsingerenan'ny nahaterahana, fetin'i Monique. Ny dihin'ny tanora nasaina no nahaloaka alina ireny fivoriana ireny hatrany. I Monique dia araka ilay fiteny hafahafa fanaon'ireo tanora atriatry raha ny momba izany: " poizina raha hikosoka". Izaho kosa anefa, rehefa nanao karazan-dihy roa na telo, dia nataoko ho ampy ahy izany hoentiko mampiseho fahalalam-pomba fotsiny teo amin'izay tsy nahazoako niala ireny karazam-pivoriana ireny! Bebe ihany raha izany ny tsy fitovian-tsaina teo aminay, ary izany dia tsy ho antoka na oviana na ovian'ny fahasambarana eo an-tokantranonay ho avy. Ary na dia holeferiko lalandava daholo aza izany rehetra izany, tsy avy amin'ny fileferan'ny ankilany hatrany akory no haha-paradisa ny fiainan' olon-droa tsy mitovy fisainana! 15 Tovolahy roa samy hafa finoana
17 Niova indray anefa izany fangatsiahatsiahana izany rehefa nitranga ilay " fitiavam-pahatanterahana " tsy milefitra, ka tonga fahasorenana tamin'ny fahitana ireo mpiangona alahady fa mpangalatra akoho alatsinainy, na ireo midera amin'ny vavany fa misakelika ihany kibay; tamin'izany raha mba niady hevitra tamin'izy ireny, dia izao no valiny azo: " Tsy mila ny marina, fa ny mpanota hibebaka ". Asa izay fandraisan'izy ireny izany teny izany; ary toa io aza no andalan-teny mahavantana azy ireo indrindra amin'ireo hevi-dalina betsaka raketin'ilay Boky. Rehefa nitombo anefa ny taonako ary be koa ny voadiniko, dia tsinjoko fa tsara tamiko izany fomba nitaizana ny andron'ny fahazazako izany; ary na tsy tonga isan'ireo mafana na oviana na oviana aza aho, dia mbola miaiky fa vokatry ny fitaizana mbola kely teo amin'ny Soratra Masina raha toa aho tonga olom-banona ankehitriny. 18 Toa dia lava taria sy be resaka aho ny momba ireo ambony ireo, nefa ilaina ihany izany hitsarana ny fihetsikay roa lahy eo amin' ny tantara izay manaraka. Mbola antitranteriko ihany aza fa Rakotomavo izay mpivavaka mafana hatramin'ny fony kely ka ambara-pahalehibeny dia tsy mba sahy nanao vazivazy mihitsy ny zava-mikasika ny fivavahana. Ary izaho, na dia nanao somonga taminy aza, dia tsy sahy nitsofoka lavitra tany amin'izay mety handratra ny fony. Samy tia vaky boky lozantany izahay roa lahy, ka matetika izahay no nifampindram-boky. Voafitako izy indraindray hamaky boky izay tsy azon'ny Katolika vakina... Tamin'izany andron'ny fahatanorana be kiniania izany, dia toy ny vazivazy ihany no nanaovana izany, ary nahatsipatsipaky ny hehy ery ny nahita ny endri-dRakotomavo rehefa nilazana ny marina momba ilay boky vao avy novakiny. Nony amin'izao andron'ny fahalehibeazana izao anefa. dia tsaroana ho toy ny hadaladalana tafahoatra ihany izany, ary tsy hafa fa fanapitsohana ny vatan'ny fieritreretan'olona ka zava-tsy mendrika. 19 Ankizy nilaozan-tsakaiza
|
Updated on 2024/12/26 |
![]() |