Entry mivelatra (velatra)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Mitsotra mivalampatra: Nivelatra teo an-tokotany ny tsihy
Misokatra: Aoka samy hivelatra eo anoloanareo ny bokinareo
Miseho milahatra sy milamina tsara mba hanaitra ny maso: Efa nivelatra ny entan-dRabe no tonga aho
Vaky: Mivelatra ny vonindraozy ao an-tokotany
Mihaingo, miraratra izaitsizy: Mivelatra erý ry zalahy izany fa fety ny andro! [1.1]
Explanations in English To unroll or unfold; to spread out, to open out [1.7]
Explanations in French être déployé, s'épanouir [1.8]
Examples Ny tarehiny notarafin'ny vonindraozy nivelatra sy ny ravina maitso nanodidina azy, ka tomarataratra. [2.324]
Morphology 
Present : mivelatra
Past : nivelatra
Future : hivelatra
Imperative : mivelara
Compound words 
Proverbs 

Entry mivelatra (velatra)
Part of speech adjective
Explanations in Malagasy Malalaka, midadasika [1.13]
Explanations in French Large [1.13]

Updated on 2022/09/14