Entry mamoaka (voaka)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Mampiala ny trano: Mamoaka ny ankizy haka rivotra ny mpampianatra
Milaza am-pahibemaso: Efa namoaka didy mihitsy ny fanjakana momba izany
Mamosaka, mampiseho: Aoka ianao hamoaka mazava ny hevitrao eto anoloanay
Mampiseho voalohany ho hitan' ny olona: Vao namoaka gazety indray izao Randria
Manome: Mamoaka feo tsara sy mahafinaritra io orga vao novidinay io
Enti-milaza ny ray aman-dreny izay mandefa ny zanany hanambady, amin' ny fotoanan' ny fampakarana: Hamoaka zazavavy Rakoto mivady rahampitso Asabotsy [1.1]
 Manaparitaka, mizara, mampiely [1.13]
Explanations in French Diffuser [1.13]
Morphology 
Present : mamoaka
Past : namoaka
Future : hamoaka
Imperative : mamoàha
Compound words 
Proverbs 

Anagrams 

Updated on 2023/09/13