|
|
|
|

Entry1  Madagasikara tanindrazanay
Elementary words  2  Madagasikara, tanindrazana
Part of speech  3  name (poem title)
Vocabulary  4  Literature: poems
Explanations in Malagasy  5  Hiran' ny MDRM, 1946. Tonony : Jacques Emma Rahamefy. Feony : Rahamefison [3.1]
Author  6  Tonony: Rahamefy Jacques Emma. Feony: Rahamefison
Tables and plates  7  Full list
Text  8 

I
Madagasikara tanindrazanay!
Tany saro-bidy masina sy soa;
Lova soa navelan' ny razanay taloha;
Maty ho anao no tena lazanay.

II
Isika rehetra izao akanga miara-dia
Tsy azo tabaina na ravana koa;
Ka hitomban-dahy hiasa re satria
Io no loharano fototry ny soa.

III
Malagasy ô, andeha hifankatia;
Ho mpirahalahy tena iray tam-po;
Ny hifankahala hatao sanatria.
Ka iray tokoa ny saina sy ny fo.

Isan' andininy
Mitsangàna ry tanora !
Mitsangàna ka aza manana ahiahy;
Izao no andro sady ora,
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.


Updated on 2023/10/21