Entry kobonina (kobona)
Part of speech passive verb
Explanations in Malagasy Rakofana aminy itandremana, afenina ao anaty lamba na akanjo: Nokoboniny tao anaty lambany ilay lefompohy ka tsy aisy nahita
Tazonina ao am-po, tsy lazalazaina amin' olona: Nokoboniny tao ny alahelony ka nony ela nanimba ny sainy [1.1]
Explanations in French Qu’on couvre soigneusement, qu’on cache dans son vêtement: Nokoboniny tao anatin’ ny lambany ny akoho, fa naneno tampoka (Il cachait sous son lamba un poulet, qui s’est mis tout à coup à crier) [1.3]
Examples Tamin' ny voalohany, tsaroako ny fijaliany, ny hatezerany koboniny ao am-pony, hita tamin' ny tarehiny koa ny dian' ny fihambatany nentiny. [2.472]
Morphology 
Present : kobonina, koboniko, koboninao, koboniny, kobonintsika, koboninay, koboninareo, kobonin', kobonin-, kobonim-, koboni-
Past : nokobonina, nokoboniko, nokoboninao, nokoboniny, nokobonintsika, nokoboninay, nokoboninareo, nokobonin', nokobonin-, nokobonim-, nokoboni-
Future : hokobonina, hokoboniko, hokoboninao, hokoboniny, hokobonintsika, hokoboninay, hokoboninareo, hokobonin', hokobonin-, hokobonim-, hokoboni-
Imperative : kobony

Updated on 2023/02/28