Entry | isam-pangady | |
Elementary words | isa ; fangady | |
Part of speech | locution | |
Explanations in Malagasy | [Betsileo] (isampangady) hetra isam-pangady [1.78] | |
Ampahany (tokony ho intelon' ny vata: 6 dal) amin' ny vary vokatra izay omen' ny olona ny mpanjaka mba ho fankatoavana azy amin' ny maha-tompon' ny tany azy. (Raha menabe ny tany, dia an' ny mpanjaka manontolo ny isam-pangady, fa raha menakely kosa, dia animahana ho an' ny tompomenakely ka raha Andriamasinavalona ilay tompomenakely dia omena ny antsasany ary raha zanak' andriana kosa, tsy omena afa-tsy ny ampahadiminy [1.1] | ||
Proverbs | Proverbs containing the word isam-pangady | |
Updated on 2023/04/23 |