Entry |
dabokandro
|
Part of speech | noun
|
Explanations in Malagasy | Enti-milaza ny fiompiana omby atondraka, izany hoe asaina miraoka amin' ny tany be ahitra any an' efitra sy eny amin' ny andro fotsiny eny, ka matavy sy tonga vaventy (daboka). [1.1]
|
| Ny hoe daboka dia matavy, vaventy, no heviny, ka ny dabokandro dia ilazana ny omby matavy tsy afahy fa homana sy ompiana mikarenjy eny amin'ny andro fotsiny eny any an'efitra [2.314]
|
Explanations in English | Oxen that are to be fattened, but allowed to wander about when satiated with food [1.2]
|
Examples |
1 | Ireo ve no mba saiky hanaovan' ialahy dabokandro?
[2.643]
|
2 | Ny hoe " daboka " dia matavy, vaventy, no heviny, ka ny dabokandro dia ilazana ny omby matavy tsy afahy fa homana sy ompiana mikarenjy eny amin'ny andro fotsiny eny any an'efitra.
[2.314]
|
|
Vocabulary |
Elementary words | daboka ; andro |
Compound words |
|
|