Entry avondrona (vondrona)
Part of speech passive verb
Explanations in Malagasy Atambatra mba hikambana ho iray: Avondrony daholo ny olona iray tanàna mba tsy hahombiazan' ny mpampisara-bazana [1.1]
Examples 
1Avondrona eo ambany fahefan' ny fokontany ny fokonolona rehetra. [4.27]
2Ireo "lahateny miavaka" narindran'olona isan-karazany ireo, no avondrona ho tahiry, akoran-draha hotrandrahina. [2.606]
3Toa azo avondrona amin' ny baiko tokana ny fepetra rehetra, na amin' ny fitsimbinana ny tena na amin' ny fitsim-binana ny namana. [2.296]
Morphology 
Present : avondrona, avondroko, avondronao, avondrony, avondrontsika, avondronay, avondronareo, avondron', avondron-, avondrom-, avondro-
Past : navondrona, navondroko, navondronao, navondrony, navondrontsika, navondronay, navondronareo, navondron', navondron-, navondrom-, navondro-
Future : havondrona, havondroko, havondronao, havondrony, havondrontsika, havondronay, havondronareo, havondron', havondron-, havondrom-, havondro-
Imperative : avondrony

Anagrams 

Updated on 2020/07/31