Entry | 1 Arpaksada |
Part of speech | 2 name (biblical) [Full list] |
Explanations in Malagasy |
3 [1.38#90] Zafin' i Noa. Araka ny Gen. 10.22 dia zakakalahy fahatelon' i Sema izy. Araka ny Gen. 11. 10 kosa dia taranaka faharoa avy amin' i Sema mankamÃn' i Abrahama izy. Ny Gen. 10.22 dia fitanisana anaram-poko (na anaran-tany) avy amin' i Sema ; ny avy tany Babylonia sy Kaldea tsy voalaza ao anefa. Ny tapany aoriana amin' io anarana io dia misy ny teny hoe Kaseda (ampit. Gen. 22.22) izay singulier-n' ny hoe Kasdima (Kaldea). Angamba teny roa no nakambana ho iray tamin' ny Gen. 10. 22 tamin' ny voalohany ; ny tapany aoriana dia Kaseda ary ny aloha Arpaka, izay fari-tany any Asyria atsimo-andrefana dia tokony ho ilay voalazan' i Ptolemy hoe Arrapaenitis. Koa ny fahadisoan-tsoratra ao amin' ny Gen. 10. 22 no noraisina ho fototry ny ao amin' ny 11. 10-13. |
Explanations in English |
4 [1.114#69] Arphaxad: son of Shem and ancestor of Eber. |
Explanations in French |
5 [2.996] Arpakshad |
Vocabulary |
6 Holy Scriptures |
Other spellings | 7 arfaksada |
Biblical quotes | 8 Chapters and verses mentioning Arpaksada |
Updated on 2024/12/12 |
![]() |