Entry Andriamisara
Part of speech name (anthroponym) [full list]
Explanations in Malagasy Niteraka roa lahy Andriamandazoala, dia i Tsiranto na Andriamisara sy Rahiala na Andriamandresy. Nanjaka nandimby andrainy tao Bengy Andriamandresy. Misy mpitantara milaza fa tsy mba nanjaka Andriamisara fa ombiasy nandamina ny fombafomba samihafa fanao amin'ny fivavahana amin'ny razan'ny Mpanjaka. Tamin'ny andron'izy mirahalahy no voalamina ho fombam-panjakana ny fivavahana amin'ny razan'ny Mpanjaka sy ny dady (nify, hoho, volo,... nalaina tamin'ny Mpanjaka niamboho ka tahirizina manokana toy ny zava-masina). Milevina ao Bengy izy mirahalahy. Ny ankamaroan'ny mpitantara dia milaza fa Andriamisara no rain' Andriandahifotsy. [2.508]
 Roalahy ny zanak' Andriamandazoala dia Andriamisara sy Andriamandresy izay samy milevina ao Benge. Andriamisara no rain' Andriandahifotsy, mpanjaka nalaza tany Menabe. [2.113]
Anthroponyms 

Anagrams 

Updated on 2023/07/25