|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 47 Takila 49 ->

ary ny fahasivy tsy mizara ela fa vita izay ka samia mody any amin'ny misy azy avy. Ianareo Zanahary miakara amin'ny tady volamena izay nidinanareo ka mipetraha any an-danitra lapanareo. Ianareo fahasivy, izay hitahy, miatsinanà ho any an-jozoro volamena ka tongava any an-danitra. Ianareo fahasivy izay tsy hitahy kosa miankandrefana ho entin’ny masoandro milentika, ka mandiava vato mihodina hihodinan’izany any an-davaka lalina  ».

Nony vita izany dia aongany amin'ny tànany havanana ny rano ka afafiny amin'ny mpianakavy manatrika eo. Heveriny ho fitahiana lehibe ny lenan’io rano io ka raha nisy tsy afaka hanatrika eo fa naharary tongotra na voasakan-javatra hafa dia itondrana any an-trano hafafy aminy.

Vita ny sorona ka dia vonoina ny [omby,]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany