|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 40 Takila 42 ->

[fa mora ] ho hita izany. Raha tahiny sarotra anefa ny toaka - fa miankina amin'ny fahabetsahan’ny fary izany, fa indraindray maina ny tany ka tsy mety vanona ny fary - dia azo aterina ho fanatitra koa ny vary, satria antenaina fa tsy hisy olana dia tsy hanam-bary hatao fanatitra na dia kely ihany aza, fa foto-kanina izany. Ary noho izany dia tsy misy olona hiala-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny amin'ny zavatra hatao fanatitra. Koa dia afaka anao fanatitra arak’izay ananany ny olona rehetra.

Ny osy, ondry, kisoa dia tena tsy mba fanao sorona amin'ny Bara velively fa fanevatevana eo anatrehan’Andriamanitra sy ny razana hono ny manao izany ka tsy mba mahazo fitahiana na kely akory aza. Eny, na ny handofo maty amin'ireo zavatra ireo aza dia tsy azo atao, fa mahamenatra amin'ny tany aman-monina, no ananan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra sy ilay maty ny nanao izany ka tena fahadisoana be vava.


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany