Entry angely
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Bibikely tokony 3 sm ny halavan' ny vatany, mikiririoka mankarenin-tsofina amin' ny alina. Misy mivelona ao an-trano ny angely, izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha. Ny angelivavy dia atao hoe kabatita na kabanty; ny feon' ny angely andavanandro dia atao hoe fikiririoka fa fivolana kosa rehefa hiady izy. Rehefa miady iny ny angely ka misy iray ho resy, dia mamoaka feo hafahafa izay ilay io, ka izany no atao hoe mamela volana. Bibikely fatra-piady ny angely ka ny mampirisika azy ireny hiady no atao hoe mikitra angely [1.1]
Explanations in English The name of a species of cricket. Also called antsoindahy. The children are much given to catching these insects and making them fight. [1.2]
 A cricket [1.7]
Explanations in French Grillon [1.8]
Vocabulary 
Synonyms antsiona
Compound words 
Zoonyms 
Proverbs 

Entry angely
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Olona ratsy fitondran-tena, izay atao hoe angelin' olona
Mitovy hevitra: akanga ~ angatra ~ angelingely ~ karandahy ~ mpanaram-po ~ mpiliba [1.1]
Explanations in French Libertin, débauché [1.3]
Derivatives 

Anagrams 

Updated on 2023/08/11