Text | - Izaho saonjo ery an-dohasaha, ianao tatamo ery an-kamory:
mihefa ny eny mba mihefa aho, tony ny eny mba tony aho.
Tsy fitia latsaka ny anay ka hanambatambazana mpitsimpona;
tsy tanora diso zara ka hanohina maso-mpijery.
Fa zaza mitovy tsy mifandranga
trano iray lenta tsy mifaniva;
tia ny any miara-tia, tsy tia ny any miara-mianjona.
- Ny fitiavana, rahavako, tsy tsipy rano miamboho ka ifanadidiavana;
tsy lahi-mizana ratsy tefy ka hitongilana hiletsy ila;
fa tia aho matoa manoloana, vonona aho matoa sahy lanja.
Ratany: Raha
hiringiringy ho tendrombohitra anefa ianao, dia hamitsaka aho fa iva;
ratany: ratanyraha hitsoroadroaka ho hazo avo ianao, hikainkona aho fa fohy sandry.
Fa ratany: ratanyraha mba hanao fitia mifandefitra, dia tsy aiza aho fa fandrotrarana misafosafo amin'ny tany;
ratany: ratanyraha dobo mora tsobohina, dia fandiorano tsy mahafoy tany hita aho ka hilentika aminao fe
ritra.
|